Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 16:13-16; Efes. 2:20; Apôk. 22:6; Lio. 2:36-38; Asa. 21:9; Efes. 6:10-18.
Tsianjery
"Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra." - 1 Kôr. 12:4-6.
Nandeha fiara ny raim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy. Izy no teo amin'ny familiana ary ny zanany kosa nanara-maso tsara ireo fiara mandalo mba hahitany izay mitovy amin'ny an-drainy. Avy eo, nanondro fiara iray ny rainy sady nihoraka hoe: "Tsy misy hafa amin'iny fiara iny anaka ny fiarako voalohany!" Rehefa nody tany an-trano izy ireo, dia navoakan'ilay raim-pianakaviana ny boky kely taridalana ho an'ilay fiarany voalohany, sy ny an'ilay fiara ampiasainy ankehitriny. Nasehony tsara ny zanany ny toetoetran'ny fiara tsirairay, ka nasongadiny ny mampitovy azy sy ireo zavatra novana. Kanefa rehefa nampitahaina ny moteran'izy roa, dia hita fa nitovy tanteraka. Betsaka ny zavatra niova, afa-tsy ny motera.
Niteny tamin'ny alalan'ireo mpaminany ao amin'ny TT sy ny TV Andriamanitra, ary mifampitohy sy mirindra tsara ny hafatr'izy ireo satria Fanahy Masina iray ihany no Loharanon'ny tsindrimandrin'Andriamanitra — Izay tsy miova, toy ilay "motera". Manome hery mandrakariva ny mpaminany marina ny Fanahy Masina, amin'ny alalan'ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana. Izy koa no manao an'i Kristy ho ivon'ny hafatry ny mpaminany, araka izay voambara mazava ao amin'ny Hebreo (Heb. 1:1-3).
Hodinihintsika amin'ity herinandro ity, ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana ao amin'ny Testamenta Vaovao. Inona no nataon'ireo mpaminany? Inona no itovian'ny mpaminany amin'ny apostoly? Ary inona no maha zava-doza ny mpaminany sandoka?