Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Andriamanitra saro-piaro

Daty
Alarobia 22 January 2025

"Andriamanitra be fiantrana" ilay Andriamanitry ny Baiboly. Antsoina hoe el rahum Andriamanitra amin'ny teny Hebreo (Deo. 4:31). Midika hoe "Andriamanitra" ny teny hoe "el", ary ny rahum dia teny iray avy amin'ny fototeny hoenti-milaza ny fiantrana (raham). Tsy antsoina hoe Andriamanitra be fiantrana fotsiny anefa Izy fa Andriamanitra saro-piaro (el qana) koa. Toy izao no ilazan'ny Deo. 4:24 izany: "Fa Jehôvah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro [el qana"] Izy." (Jereo ny Deo. 4:24; Deo. 6:15; Jos. 24:19; Nah. 1:2).

Ambaran'ny 1 Kôr. 13:4 fa "tsy mlalona" ("tsy saro-piaro" dikanteny RSV) nyfitiavana. Ahoana àry no ilazana fa "Andriamanitra saro-piaro" i Jehôvah? Vakio ny 2 Kōr. 11:2 ary diniho ny tsy fahatokian'ny vahoakan'Andriamanitra manerana ireo tantaran'ny Balboly (Jereo ohatra ny Sal. 78:58). Ahoana no anampian’ireo andalan-teny ireo antsika hahatakatra ny "fahasaro- piaron" Andriamanitra?

Tsy araka ny tokony ho izy matetika no ahatakaran'ny olona ny "fahasaro-piaron’Andriamanitra " . Raha lazaina ho vady saro-piaro ny lehilahy na ny vehivavy iray dia tsy azo raisina ho fandokafana velively izany. Matetika ny teny hoe "fahasaro-piaro" no manana heviny miiba amin'ny tenim-pirenena maro. Tsy manana heviny miiba anefa ny fahasaro-piaron Andriamanitra resahina ao amin'ny Baiboly. Fihetsehampo ara-drarin'ny lehilahy tia ny vadiny ka maniry hanana fifandraisana anjakan'ny fahatokiana aminy izany.

Misy ny karazam-pahasaro-piaro mifanohitra amin'ny fitiavana (1 Kôr. 13:4), nefa misy koa ny "fahasaro-piaro" tsara sy ara-drariny, araka ny 2 Kôr . 11:2. Tondroin'i Paoly ho "fahasaro-piaro araka an'Andriamanitra" izany (2 Kôr. 11:2). Ny fahasaro-piaron'Andriamanitra no hany ara-drariny mandrakariva ary koa azo lazaina ho fitiavana miredareda ny vahoakany.

Ny fitiavana lalina itiavan'Andriamanitra ny olony no mahatonga ny fahasaro- piarony (qana'). Maniry fifandraisana anjakan'ny fahatokiana miaraka amin'ny vahoakany Andriamanitra; Izy irery no tiany ho Andriamanitr'izy ireo. Matetika anefa Izy no aseho tahaka ny vady nohamavoina ary tsy mba novaliana ny fitiavana nasehony (jereo ny Hôs. 1-3; Jer. 2:2; Jer. 3:1-12). Araka izany, tsy zava-tsy misy antony ny "fahasaro-piaron’Andriamanitra" fa setrin'ny tsy fahatokian'ny olony sy ny faharatsian'izy ireo mandrakariva. Tsy hita ao amin'ny fahasaro-piaron’Andriamanitra ny hevitra miiban'ny fahasaro-piaron'olombelona. Tsy mba misy fialonana ao amin'izany fa fihetsehampo ara-drariny izay maniry fifandraisana anjakan'ny fahatokiana amin'ny vahoakany ary ny hahasoa azy ireo no tanjon'izany.

Ahoana no hianarantsika haneho izany karazana "fahasaro-piaro" tsara izany amin'ny hafa, tahaka izay asehon'Andriamanitra amintsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal