Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 18 January 2025

Hodinihana mandritry ny herinandro: Sal. 103:13; Isa. 49:15; Hos. 11:1-9; Mat. 23:37; 2 Kôr. 11:2; 1 Kôr. 13:4-8.

Tsianjery: "Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao." - Isa. 49:15

Matetika no ratsy ny fahitan'ny olona ny fihetsehampo ary heveriny fa tokony hohalavirina ireny. Tsy araka ny lôjika ny fiheveran'ny olona sasany ny fihetsehampo ka tsy tokony ho "olon'ny fo" ny lehilahy na ny vehivavy mendrika. Teo amin'ny filozôfia grika tranainy sasany, dia noderaina ho môdely ny "olon'ny saina" izay tsy mora andairan'ny fihetsehampo mirehitra na koa mahafehy ireo fihetsehampony amin'ny fampiasana ny fisainana.

Mety hiteraka olana tokoa ny fihetsehampo tsy voafehy. Noforonin' Andriamanitra niaraka tamin'ny fahafahana manana fihetsehampo anefa ny olona, ary Andriamanitra koa aza dia aseho manerana ny Soratra Masina fa naneho fihetsehampo lalina. Raha maneho fihetsehampo lalina Andriamanitra, araka izay asehon'ny Baiboly mandrakariva, dia tsy azo lazaina ho ratsy na tsy araka ny fahendrena ny fihetsehampo - satria sady tanteraka amin'ny fahatsarana ilay Andriamanitry ny Baiboly no manana fahendrena tonga lafatra.

Raha ny marina, misy fahamarinana mahafinaritra azo tsoahina ao amin'ny fahatsapana fa fitiavana araka ny fihetsehampo lalina no itiavan'Andriamanitra antsika. Tsara anefa ny mahatsiaro mandrakariva fa na dia tonga lafatra aza ny fitiavan'Andriamanitra (na araka ny fihetsehampo izany na tsia), dia tsy azo ampitovina amin'ny fihetsehampo tsapan'ny olombelona izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (10)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal