Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Fitiavana mampihetsi-po lalina

Daty
Alatsinainy 20 January 2025

Aseho ao amin'ny bokin'i Hosea ny halalina tsy hay faritan'ny fitiavan Andriamanitra sy ny fiantrany ny olombelona. Izao no baikon’Andriamanitra tamin'i Hosea mpaminany: "Andeha janao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra- pijangajanga miala amin'i Jehôvah ny tany." Hôs. 1:2. Aty aoriana kely, dia miresaka momba ny fifandraisan'Andriamanitra amin'ny vahoakany, amin'ny alalan'ny sary an'ohatry ny ray tia ny zanany ny Hôs. 11.

Vakio ny Hôs. 11:1-9. Ahoana no anehoan'ny fanoharana ao amin'ireo andalan-teny ireo ny fomba itiavan'Andriamanitra sy iheverany ny olony?

Ampitovina amin'ny fitiavana mamy itiavan'ny ray na ny reny ny zanany ny fitiavan’Andriamanitra ny olony. Ny sary an'ohatra momba ny fampianarana ny zaza iray mandeha, ny fitrotroana ny zanaka malala, ny fanasitranana sy ny famelomana, ary ireo fikarakarana ombam-pitiavana ataon'Andriamanitra amin'ny olony no ampiasain'ny Soratra Masina eto. Ambaran'ny Soratra Masina koa fa "nitondra" ny olony "tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany" Andriamanitra (Deo. 1:31). "(...) Ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin'ny andro taloha ela rehetra." - Isa. 63:9.

Eo ankilan'ny fahatokiana mafy orina ananan’Andriamanitra dia mbola namerimberina ny tsy fahatokiany ireo olony ary niafara tamin'ny fandavana an'Andriamanitra mihitsy izany ka nahatonga loza tamin'izy ireo ary nampalahelo an'Andriamanitra fatratra. Be fiantrana Andriamanitra saingy tsy manilika ny rariny velively izany. (Ho hitantsika ao amin'ny lesona aoriana kely ao fa miara-dalana ny fitiavana sy ny fahamarinana/rariny.)

Efa nisy fotoana ve nahatohina fatratra anao ka nampandraiky narary ny kibonao mihitsy? Izany no karazan-tsary an'ohatra nampiasaina mba hanehoana ny fihetsehampon'Andriamanitra manoloana ny olony. Fomba fiteny hilazana fihetsehampo lalina, na ho an'Andriamanitra na ho an'ny olona, ny sary an'ohatra momba ny fo onena sy ny "alahelo mafy loatra".

lo sary an'ohatra momba ny "alahelo mafy loatra" io (kamar) no nampiasaina tao amin'ilay tantaran'ny vehivavy roa samy nitonona ho renin'ny zaza iray, izay nankeo amin'i Sôlômôna mpanjaka. Rehefa nanome baiko ny hizarana ny zaza ho roa i Sôlômôna dia io sary an'ohatra io no manoritsoritra ny fihetsehampon'ilay reny niteraka an'ilay zaza (1 Mpanj. 3:26; ampitahao amin'ny Gen. 43:30).

Izay efa ray aman-dreny dia mahalala tsara ny zavatra resahin'ny lesona. Tsy misy fitiavana azo ampitahaina amin'izany eto an-tany. Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra ny fitiavan'Andriamanitra antsika, ary inona ny fampaherezana azo sy tokony hosintonintsika avy amin'izany fahatakarana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (12)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal