Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 19 April 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 10:1-12; Gen. 12:1-9; 1 Sam. 8:4-18; Mat. 20:25-28; Apôk. 18:1-4.

Tsianjery: "Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava." - Dan. 7:14.

Mampiseho ny vahaolana entin'Andriamanitra ho an'izao tontolo izao lavo ny bokin'ny Apôkalipsy. Hita ao amin'ireo toko farany fa afaka hiverina eo amin'ny hazon'aina indray ny olona, afaka ny ozona, ary ho afaka hifanatrika amin'Andriamanitra indray isika. Amin'ny lafiny iray, ny Apôkalipsy dia toy ny bokin'ny Genesisy mivadika, ary izany no mahatonga ny Genesisy hanan-danja lehibe amin'ny fahatakarana ny fomba nipoiran'ny olana teto amin'izao tontolo izao tany am-boalohany.

Anisan'ny olana lehibe voalaza ao amin'ny Daniela sy ny Apôkalipsy ny fitondram-panjakana eto an-tany; mifandimby manao izay hifehezana ny tany manontolo ny olombelona, nefa Andriamanitra no tompon'izany ara-dalana. Rehefa mifarana mandrakizay ity vanim-potoana mahatsiravin'ny fahotana sy ny fikomiana ity, dia hanjaka amim-pahamarinana amin'izay Andriamanitra.

Dingana maro vao ho tonga amin'io fotoana io; misy arivo taona maro nanandraman'ny olombelona ny fitondram-panjakan'ny tenany. Tsy nahomby velively anefa izany; na ireo izay naneho ny idealy ambony indrindra aza dia tsy nahatratra izany idealy izany, ary matetika no tena lavitra izany mihitsy. Ny tantara mampalahelon'ny olombelona ankapobeny nandritra ny arivo taona maro, dia tsy inona fa tantara mahonenan'ny fiantraikan'ireo rafitra tsy nahomby ireo teo amintsika. Ary mainka hiharatsy aza izany mandra-piorin'ilay "fanjakana mandrakizain'Andriamanitra" (Dan. 7:27) amin'ny farany.

*Famerenana ny lesona ny sabata 26 Aprily.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal