Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Fanazavana ny jentilisa.

Daty
Alakamisy 24 April 2025

Ny tanjona voalohany nanorenan'Andriamanitra ny firenena Isiraely dia tsy ny hanameloka izao tontolo izao, fa ny hamonjy azy. Hita mazava fa mahatsiaro meloka ny ankamaroantsika rehefa manoloana olona iray maneho fitondran-tena marina; ary ny fisian'ny Isiraely koa dia natao hanasongadinana ny fahotana sy ny fitiavan-tenan'ny firenena manodidina azy. Mpampiharihary ny toetra marin'Andriamanitra ny mpino izay manana fiainana mifandrindra amin'Andriamanitra, ka manjary fananarana ho an'ny hafa. Tokony hampiseho ny toetran'Andriamanitra ny fiainan'ireo izay "mitandrina ny didin'Andriamanitra" - Apôk. 14:12; izany no tsara indrindra.

Raha nanao araka ny tokony ho nataony sy nasaina nataony ny Isiraelita, dia ho nanatona azy tamim-pihavanana ny firenen-kafa, ka ho nitady hahafantatra misimisy kokoa momba azy ireo sy ny Andriamaniny. Indrisy anefa, araka ny asehon'ny fahababoana tany Babilona, fa tonga nanafika azy kosa ireo firenena ireo.

I Jesôsy no fanehoana faratampony ny toetran'Andriamanitra, mazava loatra - Ilay hany olombelona naneho izany tamin'ny fomba tonga lafatra. Azo antoka fa voaheloka ny fon'ny olona teo anatrehan'ny ohatra lavorary nasehony, kanefa natao ho fanasana azy ireo izany (jereo ny Jao. 3:16-21).

Tahaka ny tanjon'Andriamanitra faratampony tamin'ny nanorenany ny firenena Isiraely ihany no tanjony tamin'ny nanorenany ny fiangonana: iriny fatratra ny hampiasa ny vahoakany hitaomana ny mpanota ho eo amin'i Kristy. Tsy ho an'ny olom-bitsy voafantina ihany ny hafatr'ireo anjely telo izay natao hotorin'ny fiangonany, fa natao "hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra" - Apôk. 14:6. Voalaza mialoha ao amin'ny Apôk. 18:1 fa hohazavain'ny voninahitr'Andriamanitra ny tany rehetra alohan'ny fiverenan'i Kristy.

Inona no ampianarin'ireto andininy manaraka ireto antsika momba ny fikasan’Andriamanitra ho asan'ny vahoakany eto amin'Izao tontolo izao? Ahoana no hampiharantsika ireo foto-kevitra ireo amin'ny tenantsika manokana?

Nom. 14:17-21 …………………………………………………………………………………………..

Isa. 42:6, Isa. 49:6, Isa. 60:3 ……………………………………………………………………….

Apôk. 18:1-4 ……..………………………………………………………………………………………

Vakio indray ny Apôk. 18:1-4, izay antso miantefa amin'ny olon'Andriamanitra, mba hlalany ao Babilona. Ahoana no hahatanteraka izany? Izany hoe, ahoana no ahafahan'Andriamanitra mamplasa antsika, amin'ny maha-fiangonana fa tsy Babilona antsika, hiantsoana Ireo olon'Andriamanitra mbola ao Babilona, mba hlala ao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal