Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Ireo mpanapaka jentilisa.

Daty
Alarobia 23 April 2025

Ny fifandraisan'Andriamanitra tamin'ny Isiraely dia maneho amin'ny endriny maro ny fifandraisany amin'ny fiangonana ao amin'ny TV. Raha ny marina, ny firenena Isiraely dia nanondro mialoha ny fahadisoan'ny fiangonana tamin'ny lafiny maro. Tsy afaka milaza tena velively ho ambony noho ny Isiraely fahiny ny Kristianina, fa mora voafitaky ny fakam-panahy toa azy ihany izy, hatramin'izao.

Vakio ny Mat. 20:25-28. Nampitandrina ny mpianany tsy hanao fahadisoana i Jesôsy teo am-panafatrafarana momba ny asan'ny fiangonana kristianina; inona izany fahadisoana izany?

Nangataka olombelona hatao mpanjaka ny Isiraely, ary nahatonga fitotonganana ara-pitondran-tena teo amin'ny firenena izany. Niharatsy fanahy hatrany ireo mpanjaka mandra-pamelan'Andriamanitra ny Babilonianina haka ny vahoaka ho babo, mba hanitsiana azy ireo.

Nisy toe-javatra toy izany koa nitranga teo amin'ny fiangonana kristianina. Na tsy natao hanana rafitra toy ny an'ny firenena mpanompo sampy aza izy, rehefa tonga teo amin'ny fitondrana i Constantin dia nahatsiaro ho maivamaivana ny mpino: nitsahatra ny fanenjehana! Toa fitahiana ihany izany, kanefa nanomboka teo dia nihevitra ny fiangonana fa afaka hanararaotra ny fahefan'ny amperora hahazoany tombontsoa manokana.

Nisy adilahy maro nipoitra teo anivon'ny Kristianina tamin'ny taonjato fahefatra, ary rehefa tsy hain'ny fiangonana ny namaha izany olana izany, dia nitaraina tamin'ny amperora izy ireo mba hidirany an-tsehatra. Nanomboka teo dia nanjary nitana toerana ambony ny evekan'i Rôma, izay eveka toy ny eveka rehetra namany ihany teo aloha. Nangatahin'ny fiangonana hiditra an-tsehatra hanelanelana tamin'ny raharaha ara-pivavahana ny fanjakana, ary rehefa tafiditra ity farany dia niharatsy ny toe-draharaha.

Tahaka ny Isiraely fahiny, ny ankamaroan'ny fotoana maizina indrindra teo amin'ny tantaran'ny fivavahana kristianina dia vokatry ny marimaritra niraisan'ny fiangonana tamin'izao tontolo izao. Nivily ho amin'ny fanompoan-tsampy ny Isiraely ary ny mpanjakany dia nanao ratsy noho ny fitiavam-pahefana tonga hatramin'ny fanaovana sorona ny zanany ho an'ny sampy izy ireo - ny fiangonana kosa nanaraka tsikelikely ny fomba amam-panaon'ny fanjakana jentilisa, ka maro tamin'ireo mpino mahatoky no novonoina satria noheverina ho nandrahona ny fiaraha-miasan'ny fiangonana sy ny fanjakana.

Ao amin'ny kolontsaina sy ny fiarahamonina misy anao, ahoana no isehoan'izany fakam-panahy izany, izay manohintohina ny fahatokiantsika amin'ny finoantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal