Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Ny fiantsoana an’i ABRAHAMA.

Daty
Alatsinainy 21 April 2025

Hitantsika ao amin'ny toko fahafolo ao amin'ny Genesisy ny nipoiran'ireo firenena samihafa. Ny teny adika hoe "firenena" dia goyim, izay mety hidika koa hoe Jentilisa. Voalaza ao fa nizarazara ny taranak'olombelona, samy nanana ny taniny, ny fiteniny, ny mpianakaviny, ary ny fireneny avy (Gen. 10:5; jereo koa ny Apôk. 14:6).

Saika avy hatrany taorian'izany no niantsoan'Andriamanitra an'i Abrahama hiala tamin'ny iray amin'ireo firenena ireo, mba hiavahany amin'izy ireo sy tsy hanehoany izay asehony.

Vakio ny Gen. 12:1-9. Nahoana Andriamanitra no niantso an'i Abrama (izay lasa Abrahama taty aoriana) hiala amin'ny taniny?

Ny hanangana firenena iray izay hiavaka amin'ny fanjakan'olombelona no tanjon'Andriamanitra tamin'ny nampiasany an'i Abrahama. Tsy tokony hanana mpanjaka hafa ankoatra an'Andriamanitra izy ireo. Ireo vahoaka ireo dia natao hampiseho izay hitranga raha miverina amin'ny Mpahary azy ny taranak'olombelona. Natsangana ny Isiraely mba ho fitahiana ho an'ny "firenena rehetra ambonin'ny tany" - Gen. 12:3. Nampitosaka fahazavana sy tombontsoa maro ho azy ireo Andriamanitra, izay azo inoana fa tsy fahita teto an-tany na talohan'ny Safodrano aza.

Vakio ny Deo. 4:5-9. Inona no nolazain'ny Tompo tamin'ny taranak'i Abrahama, dia ilay firenena izay nanjary fahatanterahan'ny teny fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama?

Tsy olon-tokana nijoro ho vavolombelona teo anivon'ny fiarahamonina iray tsy akory ny taranak'i Abrahama eto, fa firenena iray manontolo izay miray hina sy miara-miasa amin'Andriamanitra, ka afaka naneho ny voninahitry ny toetrany. Mariho koa fa tsy ny fananany ireo "didy sy fitsipika" no tena nahatonga azy ireo ho vahoaka miavaka fa ny fitandremany tsara izany, izay hahatonga ny firenen-kafa hanao hoe: "Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io." - Deo. 4:6. Na tsara sy mahatalanjona toy inona aza ny fahamarinana nomena ny vahoaka, ny tsy fitandremany izany dia hahatonga ozona fa tsy fitahiana, ary fahafatesana fa tsy fiainana.

Mihatra amintsika Advantista ankehitriny koa io fitsipika io, dia ny hoe: sady mila mahafantatra ny fahamarinana no mila mankatò izany koa; amin'ny fomba ahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal