Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA I - Ny fiantsoana an’i ABRAHAMA.

Daty
Alatsinainy 21 April 2025

Hitantsika ao amin'ny toko fahafolo ao amin'ny Genesisy ny nipoiran'ireo firenena samihafa. Ny teny adika hoe "firenena" dia goyim, izay mety hidika koa hoe Jentilisa. Voalaza ao fa nizarazara ny taranak'olombelona, samy nanana ny taniny, ny fiteniny, ny mpianakaviny, ary ny fireneny avy (Gen. 10:5; jereo koa ny Apôk. 14:6).

Saika avy hatrany taorian'izany no niantsoan'Andriamanitra an'i Abrahama hiala tamin'ny iray amin'ireo firenena ireo, mba hiavahany amin'izy ireo sy tsy hanehoany izay asehony.

Vakio ny Gen. 12:1-9. Nahoana Andriamanitra no niantso an'i Abrama (izay lasa Abrahama taty aoriana) hiala amin'ny taniny?

Ny hanangana firenena iray izay hiavaka amin'ny fanjakan'olombelona no tanjon'Andriamanitra tamin'ny nampiasany an'i Abrahama. Tsy tokony hanana mpanjaka hafa ankoatra an'Andriamanitra izy ireo. Ireo vahoaka ireo dia natao hampiseho izay hitranga raha miverina amin'ny Mpahary azy ny taranak'olombelona. Natsangana ny Isiraely mba ho fitahiana ho an'ny "firenena rehetra ambonin'ny tany" - Gen. 12:3. Nampitosaka fahazavana sy tombontsoa maro ho azy ireo Andriamanitra, izay azo inoana fa tsy fahita teto an-tany na talohan'ny Safodrano aza.

Vakio ny Deo. 4:5-9. Inona no nolazain'ny Tompo tamin'ny taranak'i Abrahama, dia ilay firenena izay nanjary fahatanterahan'ny teny fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama?

Tsy olon-tokana nijoro ho vavolombelona teo anivon'ny fiarahamonina iray tsy akory ny taranak'i Abrahama eto, fa firenena iray manontolo izay miray hina sy miara-miasa amin'Andriamanitra, ka afaka naneho ny voninahitry ny toetrany. Mariho koa fa tsy ny fananany ireo "didy sy fitsipika" no tena nahatonga azy ireo ho vahoaka miavaka fa ny fitandremany tsara izany, izay hahatonga ny firenen-kafa hanao hoe: "Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io." - Deo. 4:6. Na tsara sy mahatalanjona toy inona aza ny fahamarinana nomena ny vahoaka, ny tsy fitandremany izany dia hahatonga ozona fa tsy fitahiana, ary fahafatesana fa tsy fiainana.

Mihatra amintsika Advantista ankehitriny koa io fitsipika io, dia ny hoe: sady mila mahafantatra ny fahamarinana no mila mankatò izany koa; amin'ny fomba ahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal