Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 31 October 2025

FIANARANA FANAMPINY 

Vakio "Ny nandravana an'i Jeriko", tt. 488-491, ao amin'ny PM.

Tahaka ny zava-drehetra ao amin'ny Baiboly, dia zava-dehibe tokoa ny fahafantarana ny tontolon-kevitra sy ny votoatiny. Araka izay hitantsika, dia manan-danja ho an'ny fahatakarana ny ady natao tamin'ireo Kananita ny fifanandrinana mahafaoka an'izao rehetra izao sy ny maha-Mpitsara an'Andriamanitra.

"Tsy mora tezitra Andriamanitra fa mahari-po. Nomeny androm-pahasoavana ireo firenena ratsy fanahy andrao mba ho tonga amin'ny fahalalana Azy sy ny Toetrany. Arakaraka ny fahazavana nomena azy ireo ny fatran'ny fanamelohana azy noho ny nandavany tsy handray ny fahazavana sy ny nifidianany handeha amin'ny lalany fa tsy amin'ny lalan'Andriamanitra. Nomen'Andriamanitra ny antony tsy nandroahany ireo Kananita tao anatin'ny indray mandeha monja. Tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita. Noho ny helok'izy ireo, dia nanatona tsikelikely ny teboka iray izay naha-ritra ny faharipon'Andriamanitra izy ka tsy maintsy aringana. Tsy mbola hahatra aminy anefa ny famalian'Andriamanitra mandra-pahatrarany io fetra io sy mandra-pahatanteraka ny helony. Nomena androm-pahasoavana avokoa ny firenena rehetra. Ireo izay nanao tsinontsinona ny lalàn'Andriamanitra kosa dia nandroso tsikelikely nankamin'ny faharatsiam-panahy hatrany. Nandova ny toetra mpikomy nananan'ireo ray aman-dreniny ny zanaka ary nanao ratsy lavitra noho ireo razany aza, mandra-pianjeran'ny fahatezeran'Andriamanitra nirehitra tamin'izy ireo. Tsy mampihena ny famaizana tsy akory ny fihemoran'ny fampiharana azy." - SDABC, b. 2, t. 1005.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ifanakalozy hevitra ny fiantraikan'ny maha-Mpitsara antsika an Andriamanitra sy ny maha-Mpitsara faratampony an'izao rehetra izao Azy. Araka ny hevitrao, nahoana no manan-danja ho an'ny filazantsara sy ny famonjena antsika ny maha-Mpitsara an'Andriamanitra?

2. Manokatra varavarana hahalalantsika ny faharetan'Andriamanitra sy ny fahamarinany ny tantaran'ireo Kananita; amin'ny fomba ahoana? Ahoana no hanehoantsika ny toetran'Andriamanitra eo amin'ny fomba itondrantsika ny olombelona namantsika?

3. Eritrereto ny toetra fototry ny safidy malalaka. Araka ny hevitrao, nahoana Andriamanitra no manaja ny fananantsika safidy malalaka? Ahoana no ifandraisan'ny fitiavana sy ny fahafahana misafidy malalaka?

4. Ahitana tantara maro momba ny ady sy fifandirana ao amin'ny TT, nefa amin'ny farany dia mampanantena fiadanana izany. Inona no anjara asa tokony hotanan'ny Kristianina eo amin'ny fampanjakana ny fihavanana (fiadanana) eo amin'ny manodidina azy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal