Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.

Daty
Alakamisy 30 October 2025

ILAY ANDRIAN'NY FIADANANA

Ahoana no anoritsoritan'ireto toko sy andininy manaraka ireto ny hoavy izay nomanin' vahoakany? Isa. 9:5; Isa. 11:1-5; Isa. 60:17: Andriamanitra ho an'ny Hos. 2:18: Mika 4:3.

Na dia nifantoka kokoa tamin'ny ady izay nanomezan Andriamanitra baiko sy nitondrany fanampiana tao amin'ny TT aza ny lesona nandritra ity herinandro ity, dia tsara ny hanamarihantsika ny lohahevitra manan-danja iray ao amin'ny asa soratr'ireo mpaminanin'ny TT: ny fahitana momba ny hoavy hanjakan'ny fiadanan'ny Mesia. Antsoina hoe "Andrian'ny fiadanana" ny Mesia (Isa. 9:5). Hanorina fanjakana izay hitoeran'ny fiadanana Izy, ka hiara-miraoka ahitra ao ny liona sy ny zanak'ondry (Isa. 11:1-8); toerana izay tsy hahitana fanimbana na fandratrana izany (Isa. 11:9), ary ny fiadanana no hanapaka ao (Isa. 60:17) sy hikoriana ao tahaka ny ony (Isa. 66:12).

Vakio ny 2 Mpanj. 6:16-23. Inona ny fanazavana entin'io tantara io mba hahatakarana lalindalina kokoa ny fikasan Andriamanitra ho an'ny vahoakany sy ho an'ny taranak'olombelona?

Saintsaino ny tantaran'ny namahanan'i Elisa ireo miaramila syrianina. Tsy namono azy ireo izy (2 Mpanj. 6:22), fa naneho taminy ny idealy ambony indrindra, dia ny fihavanana (na fiadanana), izay nirin'Andriamanitra mandrakariva ho an'ny vahoakany. Mahaliana tokoa ny fandinihana fa fantatr'i Elisa tsara ny hery lehibe nananan ireo tafika tsy hita maso izay nanodidina ny fahavalo (2 Mpanj. 6:17). Marina tokoa fa tafiditra ao anatin'ny fifanandrinana mahafaoka an'izao rehetra izao Andriamanitra, ady iray izay misy fiantraikany amin'ny planetantsika izany, kanefa ny tanjona lehibe kendren'ny fanavotana dia tsy fifanandrinana mandrakizay na koa fifehezana mandrakizay ny fahavalo ao anatin'ny fanandevozana azy, fa fiadanana mandrakizay. Miteraka herisetra ny herisetra (Mat. 26:52), fa ny fihavanana kosa dia miantso fihavanana (na fiadanana). Izao fehezanteny izao no namaranana ilay tantara: "Koa dia tsy nankany amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syria." - 2 Mpanj, 6:23.

Eritrereto ny fomba rehetra hahatonga antsika ho mpitondra fihavanana sy fiadanana, amin'ny fikatsahana hitovy amin'i Jesôsy. Ahoana ny momba ny flainanao amin'izao fotoana izao? Amin'ny fomba ahoana no hahatonga anao ho mpitondra fihavanana fa tsy ady, na inona na inona ady mety atrehinao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal