ILAY ANDRIAN'NY FIADANANA
Ahoana no anoritsoritan'ireto toko sy andininy manaraka ireto ny hoavy izay nomanin' vahoakany? Isa. 9:5; Isa. 11:1-5; Isa. 60:17: Andriamanitra ho an'ny Hos. 2:18: Mika 4:3.
Na dia nifantoka kokoa tamin'ny ady izay nanomezan Andriamanitra baiko sy nitondrany fanampiana tao amin'ny TT aza ny lesona nandritra ity herinandro ity, dia tsara ny hanamarihantsika ny lohahevitra manan-danja iray ao amin'ny asa soratr'ireo mpaminanin'ny TT: ny fahitana momba ny hoavy hanjakan'ny fiadanan'ny Mesia. Antsoina hoe "Andrian'ny fiadanana" ny Mesia (Isa. 9:5). Hanorina fanjakana izay hitoeran'ny fiadanana Izy, ka hiara-miraoka ahitra ao ny liona sy ny zanak'ondry (Isa. 11:1-8); toerana izay tsy hahitana fanimbana na fandratrana izany (Isa. 11:9), ary ny fiadanana no hanapaka ao (Isa. 60:17) sy hikoriana ao tahaka ny ony (Isa. 66:12).
Vakio ny 2 Mpanj. 6:16-23. Inona ny fanazavana entin'io tantara io mba hahatakarana lalindalina kokoa ny fikasan Andriamanitra ho an'ny vahoakany sy ho an'ny taranak'olombelona?
Saintsaino ny tantaran'ny namahanan'i Elisa ireo miaramila syrianina. Tsy namono azy ireo izy (2 Mpanj. 6:22), fa naneho taminy ny idealy ambony indrindra, dia ny fihavanana (na fiadanana), izay nirin'Andriamanitra mandrakariva ho an'ny vahoakany. Mahaliana tokoa ny fandinihana fa fantatr'i Elisa tsara ny hery lehibe nananan ireo tafika tsy hita maso izay nanodidina ny fahavalo (2 Mpanj. 6:17). Marina tokoa fa tafiditra ao anatin'ny fifanandrinana mahafaoka an'izao rehetra izao Andriamanitra, ady iray izay misy fiantraikany amin'ny planetantsika izany, kanefa ny tanjona lehibe kendren'ny fanavotana dia tsy fifanandrinana mandrakizay na koa fifehezana mandrakizay ny fahavalo ao anatin'ny fanandevozana azy, fa fiadanana mandrakizay. Miteraka herisetra ny herisetra (Mat. 26:52), fa ny fihavanana kosa dia miantso fihavanana (na fiadanana). Izao fehezanteny izao no namaranana ilay tantara: "Koa dia tsy nankany amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syria." - 2 Mpanj, 6:23.
Eritrereto ny fomba rehetra hahatonga antsika ho mpitondra fihavanana sy fiadanana, amin'ny fikatsahana hitovy amin'i Jesôsy. Ahoana ny momba ny flainanao amin'izao fotoana izao? Amin'ny fomba ahoana no hahatonga anao ho mpitondra fihavanana fa tsy ady, na inona na inona ady mety atrehinao?