Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony

Daty
Alatsinainy 27 October 2025

ILAY MPITSARA FARATAMPONY

Vakio ny Gen. 18:25; Sal. 7:11; Sal. 50:6; Sal. 82:1; Sal. 96:10 ary ny 2 Tim. 4:1,8. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo mikasika ny toetra ara-moralin'Andriamanitra? Manampy antsika hahatakatra momba ny ady masina ny maha-Mpitsara an'izao rehetra izao an'Andriamanitra; amin'ny fomba ahoana?

Ny fahamasinan-toetran'Andriamanitra dia midika fa tsy mankasitraka ota Izy. Mahari-po tokoa Izy, nefa tsy maintsy mijinja ny vokany farany ny fahotana, dia ny fahafatesana izany (Rôm. 6:23). Nanohitra ny fahotana i Yahweh, na taiza na taiza nisy izany, na teo amin'ny Isiraely na teo amin'ireo Kananita. Tsy nahatonga ny Isiraely ho masina kokoa noho ireo firenen-kafa rehetra tsy akory ny nandraisany anjara tamin' ireo ady masina (Deo. 9:4,5; Deo. 12:29,30); na ireo firenena ireo koa aza mantsy dia nampiasain'Andriamanitra ho fitaovana nenti-nitsara io firenena voafidiny io. Tsy mitovy amin'ireo mponina tany Proche-Orient fahiny ny Isiraelita, satria izy ireo dia niharan'ny fitsimbadihan'ny ady masina, rehefa tsy niady ho azy ireo Andriamanitra fa nanohitra azy ka namela ny fahavalony hampahory azy (ampitahao amin'ny Jos. 7).

Tsy mety ho takatra ny hevitra fonosin'ny ady masina raha tsy ampifandraisina amin'ny asan'Andriamanitra amin'ny maha-Mpitsara Azy. Araka izany fomba fijery izany, dia samy hafa tanteraka amin'ny ady rehetra ny ady nataon'ny Isiraely raha naka ny tany Kanana izy ireo. Tsy tahaka ny ady atao mba hitomboan'ny harena manokana sy ny fahefana izany, izay fahita teo amin'ny tontolo fahiny (sy eto amin'ny tontolontsika ankehitriny). Ny tanjon'ny ady nataon'ny Isiraely dia tsy ny hanomezam-boninahitra azy ireo, fa ny hanorenana ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny fiadanany eo amin'ny tany. Noho izany, ny fahatakarana momba ny ady masina dia miorina amin'ny fahatakarana ny fanapahan'Andriamanitra sy ny fiandrianany, izay mifandraika koa amin'ny maha-Mpiady Azy, tahaka ny ifandraisan'izany amin'ny maha-Mpanjaka na Mpitsara Azy.

Yahweh Mpiady, amin'ny maha-Mpitsara Azy, dia mampiorina sy manamafy ary manohana ny fitsipiky ny didy izay maneho taratra ny toetrany. Ny sary maneho an'Andriamanitra ho Mpiady, ary koa Mpitsara sy Mpanjaka, dia manamafy fa tsy azony leferina ny fikomiana atao amin'ny lamina efa napetrany hatry ny fahagola. Azontsika atao, araka izany, ny milaza fa tsy ny ady na koa ny fandresena no tanjona kendren'ny asan'i Yahweh, fa ny famerenana amin'ny laoniny ny fahamarinana sy ny fiadanana. Raha fintinina, dia iray ihany ny hoe mitsara sy miady, na koa mampanjaka ny fahamarinana, rehefa Andriamanitra no manao izany asa izany.

Saintsaino ny maha-Mpitsara marina an' Andriamanitra, izay tsy mandray tsolotra na koa mirona ho amin'ny fiangarana. Ahoana no mahatonga ny Andriamanitra Iray izay tsy handefitra na oviana na oviana manoloana ny fahotana sy ny fampijaliana ary ny fahorian'ireo tsy manan-tsiny sy ny fanararaotana ireo mijaly ho ivon'ny filazantsara?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal