NY HELOK'IREO KANANITA
Vakio ny Gen. 15:16; Lev. 18:24-30; Deo. 18:9-14 ary ny Ezra 9:11. Inona по ambaran'ireo toko sy andininy ireo amintsika momba ny drafitra lehibe kokoo nananan Andriamanitra momba ny fanolorana ny tany Kanana ho an'ireo Isiraelita?
Tsy maintsy mijery boky hafa ankoatry ny bokin'i Josoa isika mba hahatakarana amin'ny fahafenoany ny tiana hambara amin'ny hoe helok'ireo firenena nonina tao amin'ny tany Kanana. Manome topy maso momba izany ny fanao maharikoriko hita tao amin'ireo firenena ireo: ny fanolorana zaza ho sorona, ny fanaovana fankatovana, ny sikidy, ny fanaovana ody, ny fanaovana hatsarana ary ny filalaovana angatra (Deo. 18:9-12).
Ny fahitana ireo lahatsoratra amin'ny fiteny fampiasa tany Ougarit (izay hita tany Ras Shamra) dia maneho sary mazava kokoa amintsika mikasika ny fivavahan ireo Kananita sy ny fiaraha-monin'izy ireo. Asehon'ireo lahatsoratra ireo koa ny antony nanamelohan'Andriamanitra izany kolontsaina izany, fanamelohana izay ara-drariny tokoa raha ny fitsipi-pitondrantena araka ny TT no jerena.
Ny fivavahan'ny Kananita dia niorina tamin'ny finoana fa ireo zava-mitranga eo amin ny natiora, izay miantoka ny fahavokarana, dia nofehezin'ireo andriamani-dahy sy andriamanı-bavy tamin'ny alalan'ny firaisana ara-nofo ataony. Araka izany, dia noheverin ireo mponina ireo fa mifandraika amin'ny fitondrantenany mahakasika ny firaisana ara-nofo ny zavatra ataon'ny andriamanitra nivavahany, ka nanaraka fombafombam-pivavahana izay nanaovany firaisana ara-nofo izy mba handrisihana ny andriamani-dahiny sy ny andriamani-baviny hanao toy izany koa. Niafara tamin'ny fametrahana rafi-pijangajangana "masina" izany, izay nanaovan'ny lehilahy sy ny vehivavy janga zava-betaveta maro; izany rehetra izany dia tao anatin'ny fombam-pivavahan'izy ireo avokoa!
Tsy afaka ny hihoatra ny an'ireo andriamanitra ivavahan'ny mponina ao aminy ny fitondrantenan'ny firenena iray sy ny soatoaviny. Raha tahaka izany ny fahatakaran ireo Kananita momba ny andriamanitra samihafa nivavahany, dia tsy mahagaga raha nahitana fanaovana sorona zaza ny fivavahan'izy ireo, fomba fanao izay nampitandreman'ny Baiboly fatratra.
Hamafisin'ny porofo hitan'ireo mpahainifahagola ("archéologue") fa fanaon'ny mponina tany Kanana tokoa ny manolotra ny zanany voalohany ho fanatitra ho an'ireo andriamanitra izay nivavahany; ny devoly mihitsy izany. Ny taolan-jazakely marobe notapatapahina sy natao tao anaty tavy lehibe niaraka tamin'ny soratra manolotra izany ho fanatitra no nijoro ho vavolombelon'ny fivavahana manimba narahin'izy ireo sy ny vokatr'izany teo amin'ny ankamaroan'ireo zanany.
Araka izany, ny fandringanana ireo Kananita dia tsy kisendrasendra na koa vokatry ny fanapahan-kevitr'Andriamanitra hanome ny firenen'i Kanana ho an'ireo Isiraelita. Efa nomena androm-pahasoavana ny mponina tao Kanana, fotoam-pamindrampo fanampiny izany, izay nananan'izy ireo tombontsoa nahafantarana an'Andriamanitra sy ny toetrany tamin'ny alalan'ny fijoroana ho vavolombelon'ireo patriarka nonina teo aminy. Nanana izany tombontsoa izany izy ireo, kanefa hita miharihary fa nataony tsinontsinona izany ka notohizany ny fomba fanaony mahatsiravina mandra-pahatonga ny fotoana tsy maintsy namaranan'i Jehôvah izany.