Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita

Daty
Alahady 26 October 2025

NY HELOK'IREO KANANITA 

Vakio ny Gen. 15:16; Lev. 18:24-30; Deo. 18:9-14 ary ny Ezra 9:11. Inona по ambaran'ireo toko sy andininy ireo amintsika momba ny drafitra lehibe kokoo nananan Andriamanitra momba ny fanolorana ny tany Kanana ho an'ireo Isiraelita?

Tsy maintsy mijery boky hafa ankoatry ny bokin'i Josoa isika mba hahatakarana amin'ny fahafenoany ny tiana hambara amin'ny hoe helok'ireo firenena nonina tao amin'ny tany Kanana. Manome topy maso momba izany ny fanao maharikoriko hita tao amin'ireo firenena ireo: ny fanolorana zaza ho sorona, ny fanaovana fankatovana, ny sikidy, ny fanaovana ody, ny fanaovana hatsarana ary ny filalaovana angatra (Deo. 18:9-12).

Ny fahitana ireo lahatsoratra amin'ny fiteny fampiasa tany Ougarit (izay hita tany Ras Shamra) dia maneho sary mazava kokoa amintsika mikasika ny fivavahan ireo Kananita sy ny fiaraha-monin'izy ireo. Asehon'ireo lahatsoratra ireo koa ny antony nanamelohan'Andriamanitra izany kolontsaina izany, fanamelohana izay ara-drariny tokoa raha ny fitsipi-pitondrantena araka ny TT no jerena.

Ny fivavahan'ny Kananita dia niorina tamin'ny finoana fa ireo zava-mitranga eo amin ny natiora, izay miantoka ny fahavokarana, dia nofehezin'ireo andriamani-dahy sy andriamanı-bavy tamin'ny alalan'ny firaisana ara-nofo ataony. Araka izany, dia noheverin ireo mponina ireo fa mifandraika amin'ny fitondrantenany mahakasika ny firaisana ara-nofo ny zavatra ataon'ny andriamanitra nivavahany, ka nanaraka fombafombam-pivavahana izay nanaovany firaisana ara-nofo izy mba handrisihana ny andriamani-dahiny sy ny andriamani-baviny hanao toy izany koa. Niafara tamin'ny fametrahana rafi-pijangajangana "masina" izany, izay nanaovan'ny lehilahy sy ny vehivavy janga zava-betaveta maro; izany rehetra izany dia tao anatin'ny fombam-pivavahan'izy ireo avokoa!

Tsy afaka ny hihoatra ny an'ireo andriamanitra ivavahan'ny mponina ao aminy ny fitondrantenan'ny firenena iray sy ny soatoaviny. Raha tahaka izany ny fahatakaran ireo Kananita momba ny andriamanitra samihafa nivavahany, dia tsy mahagaga raha nahitana fanaovana sorona zaza ny fivavahan'izy ireo, fomba fanao izay nampitandreman'ny Baiboly fatratra.

Hamafisin'ny porofo hitan'ireo mpahainifahagola ("archéologue") fa fanaon'ny mponina tany Kanana tokoa ny manolotra ny zanany voalohany ho fanatitra ho an'ireo andriamanitra izay nivavahany; ny devoly mihitsy izany. Ny taolan-jazakely marobe notapatapahina sy natao tao anaty tavy lehibe niaraka tamin'ny soratra manolotra izany ho fanatitra no nijoro ho vavolombelon'ny fivavahana manimba narahin'izy ireo sy ny vokatr'izany teo amin'ny ankamaroan'ireo zanany.

Araka izany, ny fandringanana ireo Kananita dia tsy kisendrasendra na koa vokatry ny fanapahan-kevitr'Andriamanitra hanome ny firenen'i Kanana ho an'ireo Isiraelita. Efa nomena androm-pahasoavana ny mponina tao Kanana, fotoam-pamindrampo fanampiny izany, izay nananan'izy ireo tombontsoa nahafantarana an'Andriamanitra sy ny toetrany tamin'ny alalan'ny fijoroana ho vavolombelon'ireo patriarka nonina teo aminy. Nanana izany tombontsoa izany izy ireo, kanefa hita miharihary fa nataony tsinontsinona izany ka notohizany ny fomba fanaony mahatsiravina mandra-pahatonga ny fotoana tsy maintsy namaranan'i Jehôvah izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal