Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.

Daty
Alarobia 29 October 2025

SAFIDY MALALAKA

Vakio ny Deo. 20:10, 15-18 sy ny Deo. 13:12-18 ary ny Jos. 10:40. Manampy antsika hahatakatra ireo famerana ny fandravana tanteraka nandritra ny ady nataon'ny Isiraelita ny lalan'ny ady sy ny dingana napetraka harahina mahakasika ny tanana mpanompo sampy teo amin'ny Isiraely, izay voalaza ao amin'ny Deoteronomia. Amin'ny fomba ahoana?

Voambolana tokana no ampiasain'ny lahatsoratra hebreo hoenti-manondro ny fandringanana ny olona ao anatin'ny ady: cherem. Manondro izay "voarara" na "voaozona" na koa "natokana haringana izany teny izany. Matetika izany no manondro ny toerana tsy azo ovana izay ametrahana ny olona na biby na koa zavatra ho eo ambany fifehezan Andriamanitra tanteraka. Ao anatin'ny ady, matetika, dia midika ho fandringanana ilay biby na olona na zavatra izany. Ny hevitry ny cherem sy ny fampiharana izany amin'ny maha-fandringanana tanteraka ny vahoaka iray ao anatin'ny ady misy azy, dia tokony ho takatra ao anatin'ny tontolon-kevitry ny ady ataon'Andriamanitra amin'ireo herin'ny ratsy, ady izay mahakasika mivantana ny toetrany sy ny maha-Izy Azy.

Averina indray fa hatramin'ny nidiran'ny fahotana teto amin'izao tontolo izao, dia tsy misy afaka mijoro eo anelanelany, fa na miandany amin'Andriamanitra ny olona iray na manohitra Azy. Ny fanarahana ny andaniny dia mitarika ho amin'ny fiainana, ny fiainana mandrakizay: ny ankilany kosa dia mankamin'ny fahafatesana, ny fahafatesana mandrakizay.

Aseho ho fitsarana ara-drariny ataon'Andriamanitra manoloana ny fahotana sy ny faharatsiana ny fandringanana tanteraka. Napetrak'Andriamanitra tamin'ny fomba manokana tamin'ilay firenena nofidiny, Isiraely fahiny, ny andraikitra amin'ny fanatanterahana ny ampahany amin'ny Fitsarany. Teo ambany fifehezana hentitra nataon'Andriamanitra ny fandringanana, ary voafetra ho an'ny vanim-potoana iray teo amin'ny tantara, sy ady iray ary toerana iray voafaritra tsara, dia ny tany Kanana fahiny izany. Araka izay hitantsika omaly, ireo izay niharan'ny fandringanana dia nikomy mandrakariva tamin'ny fikasan'Andriamanitra sy nihaika ireny ary koa tsy mba nibebaka. Araka izany, dia tsy anjoanjo na koa fiangarana manokana ny firenena iray ny fanapahan-kevitr'Andriamanitra ny handringana azy ireo.

Hiharan'ny fandringanana toy izany koa Isiraely raha toa manapa-kevitra ny hanaraka ny fomba fiainan'ireo Kananita (jereo ny Deo. 13). Na dia toy ny efa voafaritra mialoha aza ireo sokajin'olona hiditra ao amin'ny laharan'ny andaniny sy ny ankilany (natao handova ny tany ireo Isiraelita ary natao horavana ireo Kananita), dia azo heverina ny hifindrana avy ao amin'ny sokajy iray mankamin'ny ankilany, araka izay ho hitantsika ao amin'ny tantaran-dRahaba sy i Akana ary ireo Gibeonita.

Tsy kisendrasendra ny fiarovana ny vahoaka iray na ny fanozonana azy, Ireo nahazo tombontsoa avy tamin'ny fifandraisana amin'i Yahweh dia mety hamery izany tombontsoa ananany izany amin'ny alalan'ny fikomiana, ary ireo izay voaozona dia mety hilefitra amin'ny fahefan'i Yahweh ka ho velona.

Inona no fiantraikany ara-panahin'ny fanoheran'ireo Kananita an'Andriamanitra eo amin'ny tontolon-kevitra misy antsika ankehitriny? Raha lazaina amin'ny teny hafa, miteraka inona ho antsika ny safidy malalaka ananantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal