Ambaran'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 8:1-3 fa miaro ny olona amin'ny fanompoan-tsampy ny fitiavana. Averina resahina sy hazavaina kokoa izany hevitra izany ao amin'ny 1 Kor. 10:23-11:1. Ny momba ny fitiavantsika an'Andriamanitra no resahiny ao amin'ny 1 Kor. 8:3. Ary miteny koa izy hoe: «Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany» - 1 Kor. 10:24. Izany no atao hoe fitiava-namana.
Vakio ny Mar. 10:17-22 sy ny Mar. 12:28-31. Inona no itovian'ireo andalan-teny roa ireo, ary ahoana no ifandraisan'izany amin'ny toe-javatra ao amin'ny 1 Kor. 10?
Ny nataon'i Jesôsy ao amin'ny Mar. 12:28-31 indrindra no ataon'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 10; izany hoe, nataony mifamatotra ireo didy roa lehibe indrindra ao amin'ny lalàna: ny fitiavana an'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra, sy ny fitiava-namana. Nampifandraisin'i Jesosy ireo karazam-pitiavana roa ireo ao amin'ny tantaran'ilay zatovo mpanankarena (Mar. 10:17-22), tamin'ny fampahatsiahivany azy ny voalzan'ny Deo. 6:4 (jereo ny Mar. 10:18) sy ny vato fisaka faharoan'ny Didy folo (jereo ny Mar. 10:19). Ny olan'io lehilahy mpanankarena io dia ny fitiavany ny fananany mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra sy ny namany (Mar. 10:22). Nomeny lanja mihoatra noho ny harena any an-danitra ny harena teto an-tany. Nomeny lanja mihoatra noho ny mahantra ny volany (Mar. 10:21). Mpanompo sampy izy.
Nanoro hevitra i Paoly, mifanaraka ny fampianaran'i Jesosy, fa ny foto-kevitry ny fitiavana an'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra, sy ny fitiavana ny namana tahaka ny tena, dia tokony hampiharina amin'ny toe-javatra mety hitranga voalaza ao amin'ny 1 Kor. 10:27,28. Izany hoe, na ny zavatra azo atao ara-dalána aza dia tsy voatery hahasoa na hampandroso, satria mety hanafintohina ny feon'ny fieritreretan'ny hafa izany (1 Kor. 10:23). Izany foto-kevi tra izany dia voafintina amin'ny fomba kanto amin'ny hoe:"Na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany."- 1 Kor. 10:31. Ny filazan'i Paoly hoe "ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany" no anehoany fa mety hiseho amin'ny endriny maro samihafa ny fanompoan-tsampy, satria na inona na inona maka ny voninahitra tokony ho an'Andriamanitra irery ihany, dia endrika fanompoan-tsampy (Isa. 42:8).
Famaranana ny toko faha-8 hatramin'ny faha-10 ny tenin'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 10:31-11:1. Nasehony mazava fa tsy nitady ny tombontsoany manokana izy, « fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena. » - 1 Kor. 10:33. Toy izany no nanahafany an'i Kristy (1 Kor. 11:1).
Ahoana no hahaizanao tsara kokoa ny mitia ny namanao tahaka ny tenanao?