Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.

Daty
Alatsinainy 26 January 2026

Manafatra ny Filipianina i Paoly ao amin'ny Fil. 2:14, mba hanao "ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana." Sarotra tokoa ny mitahiry ny firaisan'ny fiangonana ka tsy vita izany raha tsy misy ezaka lehibe avy amintsika. Vokatry ny firaisantsika amin'i Kristy sy ny fankatoavantsika ny Teniny ny firaisana ao anatin'ny fiangonana. Ary ain-dehibe ho an'ny asa fitoriantsika izany, araka ny hazavain'i Paoly, izay miantso antsika mba hiseho "tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao."- Fil. 2:15.

Amin'ny alina tsy misy volana sy lavitry ny hazavan'ny tanana sy ny jiron'ny lalana, dia kintana maro kokoa no hita toa mamirapiratra kokoa. Ny tsy fitoviana no mahatonga ny fahasamihafana. Arakaraka ny maha maizina ny lanitra no mampamiratra kokoa ny hazavan'ny kintana. Toy izany koa rehefa mitory isika. Arakaraka ny maha maizina ara-pitondrantena ny tontolo manodidina antsika no mampiharihary ny fifanoherana misy eo amin'ny fiainan'ny mpanara-dia an'Andriamanitra marina sy ny an'ny olon'izao tontolo izao. Zava-dehibe, noho izany, ny tsy hamelantsika ny jiro amboamboarin'izao tontolo izao hampanjavozavo na hamono ny fahazavantsika amin'ny heviny, ny fanereny, na ny fomba amam-panaony.

Vakio ny Fil. 2:15,16. Ahoana no anoritsoritan'i Paoly ny tokony ho toetrantsika sy ny tokony hataontsika, amin'ny maha zanak'Andriamanitra antsika?

Ny hoe "tsy manan-tsiny" dia midika hoe "tsy misy kilema, tsy misy kianina." Nampiasaina manokana izany nilazana ny toetran'i Jôba (jereo ny Jôba 1:1,8; Jôba 2:3; jereo koa ny Jôba 11:4; Jôba 33:9). Ny teny grika nadika hoe "tsy misy fitaka" dia midika ara-bakiteny hoe "tsy mifangaro, madio". Eo anatrehaniny famelezana feno herisetra izay mety hihatra amin'ireo vavolombelony, dia mandrisika antsika i Jesôsy hoe "mora aoka ho tsotra] (avy amin'itay teny grika nadika hoe 'tsy misy fitaka' ihany) tahaka ny voromailala" - Mat. 10:16. Manasa antsika koa i Paoly mba "tsy hiharo amin'izay ratsy" – Rôm. 16:19. Tsy malaza amin'ny fahadiovana, na amin'ny fanabeazana tsara, na amin'ny fampaherezana marina ny haino vaky jerintsika ankehitriny. Fitsipi-piainana tsara ho antsika amin'izao andro izao tokoa ny fanaon'i Davida: "Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho.'' - Sal. 101:3.

Tsy tokony hatahotra ny hiavaka isika — ny finoantsika aza dia vao mainka tokony hampiavaka antsika bebe kokoa hatrany. Ny isehoantsika "tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao" no tanjona - Fil. 2:15. Ny fomba tokana hahavitana izany dia ny tsy fanarahana ny fanaon'izao tontolo izao (Rôm. 12:2) amin'ny fitanana mafy ny tenin'ny fiainana (Fit. 2:16). Ny safidintsika no mamaritra na hanana antom-pifaliana amin'ny "andron'i Kristy" isika na "nihazakazaka foana na nisasatra foana" (Fil. 2:16; ampitahao amin'ny 1 Kor. 9:24-27).

Raha misy lafiny «manaraka ny fanaon'izao tontolo izao ny fiainanao (ary mety misy tokoa izany), ahoana no hahadio anao ho afaka amin'izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal