"Izay mijoro akaiky indrindra an'i Kristy dia izay nisotro be indrindra eto an-tany ny amin'ny toe-tsainy entanin'ny fitiavana manao sorona ny dia fitiavana izay mirehareha, tsy mieboebo, tsy milady ny azy; tsy mora sosotra, tsy manao otri-po– 1 Kôr. 13:4,5, — dia fitiavana izay manetsika ny mpianatra, tahaka ny nanetsehany ny Tompontsika, hanome ny zavatra rehetra, hivelona sy hiasa mafy ary hahafoy tena, eny, na dia hatramin'ny fahafatesana aza, mba hamonjena ny taranak'olombelona. lo toe-tsaina to dia niseho mazava teo amin'ny fiainan'i Paoly. Hoy izy: 'Fa Kristy no anton'ny ahavelomako'; naneho an'i Kristy tamin'ny olona mantsy ny fiainany; 'an/ ny fahafatesana no ahazoako tombony', tombony ho an'i Kristy; ny fahafatesana mihitsy no haneho ny herin'ny fahasoavany, ka hanangona fanahy ho Azy. Hankalazaina 'ao amin'ny tenako Kristy, hoy izy, na ao amin'ny fiainana na ao amin'ny fahafatesana'– Fil. 1:21,20." — IFM, t. 584.
"Tsy lavitra intsony ny fotoana hahatongavan'ny fitsapana amin'ny fanahy tsirairay. Hasaina horaisintsika ny mariky ny bibidia. Ireo izay nilefitra tsikelikely tamin'ny fitakian'izao tontolo izao sy manaraka ny fanaony dia hahita fa tsy zavatra sarotra aminy ny hilefitra amin'ireo fahefana izay misy, toy izay ny hamela ny tenany hesoina, sy hitenenan-dratsy, sy horahonana, na hogadraina, na hovonoina. (...)
"Rehefa miavaka amin'ny tena rahalahy ny rahalahy sandoka maro, dia hiseho ireo izay niafina, ka ho eo ambanin'ny fanevan'i Kristy sady hanao hosana. Hiseho ampahibemaso ho mpanara-dia an'i Kristy sy ny fahamarinany ireo izay saro-kenatra sy tsy natoky tena teo. Ho tahaka an'i Davida ny malemy indrindra sy be fisalasalana ao am-piangonana — ho vonona sy sahy. Ho an'ny vahoakan'Andriamanitra, arakaraka ny hamaizin'ny alina no mainka mampamirapiratra kokoa ny kintana. Hamely mafy ireo olona mahatoky i Satana; nefa, amin'ny anaran'i Jesôsy, dia hanoatra noho ny mpandresy izy ireo." TFC, b. 5, tt. 81,82.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra :
1. Saintsaino ny fampitandremana voalaza ao amin'ny lahatsoratra etsy ambony momba ireo "izay nilefitra tsikelikely tamin'ny fitakian'izao tontolo izao sy manaraka ny fanaony". lnona avy no resahina ao anatin'izany? Ifanakalozy hevitra ny hoe: mety hitranga amin'ny isam-batan'olona izany kanefa mety hiseho amin'ny fiangonana iray manontolo koa.
2. Hoy Andriamanitra: "izay rnanome voninahitra Ahy no homeko voninahitra" - " I Sam. 2:30. Amin'ny fomba ahoana no anomezantsika voninahitra an'Andriamanitra? Mitovy amin'ilay hoe "omeo voninahitra izy" ao amin'ny Apôk. 14:7 ve izany? Na eny na tsia, nahoana?
3. Ahoana no hahatakarantsika ny hevitry ny hoe miasa hahatanteraka ny famonjena antsika, ka tsy ho latsaka amin'ny fandriky ny fitadiavam-oamonienp amin'ny alalan'ny asa '? (fitandremana ny lalàna.)?