Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."

Daty
Alakamisy 29 January 2026

Vakio ny Fil. 2:25-30. Ahoana no anoritsoritan'i Paoly an'i Epafrodito? Inona avy ireo fomba amam-panaon'io mpanompo kristianina io izay mampiseho ny toetrany?

Tsy voalaza afa-tsy ato amin'ity epistily ity ny amin'i Epafrodito, kanefa manambara zavatra betsaka momba azy izany filazalazana fohy izany. Raha jerena ny anarany (izay manondro ny fivavahana amin'i «Aphrodite»), dia olona mpanompo sampy niova fo izy. Ny fiantsoan'i Paoly azy hoe "mpiray asa amiko" dia manondro fa nazoto nanompo izy, angamba niara-niasa tamin'i Paoly tany Filipy. Ny hoe "miaramila namako"indray (ampitahao amin'ny Fil. 1:27) dia inoana fa manondro ny ady natrehin'i Epafrodito teo am-pitoriana ny filazantsara, izay saika namoizany ny ainy mihitsy aza (Fil. 2:30).

"Irakareo" (Grika, apostolos) koa no ilazan'i Paoly an'i Epafrodito, izany hoe notendren'ny fiangonana tany Filipy izy, ary nirahina hanompo an'i Paoly tao am-ponja sy hanome izay rehetra mety ho nilainy (Fil. 2:25). Izy no nanankinan'ny Filipianina ireo vola homena an'i Paoly (Fil. 4:18). Tena zava-dehibe ireo fanomezana ireo satria ny sakafo, ny fitafiana, ny fandriana, na ny zavatra hafa mety hilain'ny gadra romana dia tsy maintsy novidina tamin'ny volany manokana na omen'ny fianakaviany sy ny namany ho azy (ampitahao amin'ny Asa 24:23). Tamin'ny faramparan'ny fotoana naha tao an-tranomaizina azy fanindroany tany Roma, dia nangataka an'i Timoty i Paoly hoe: "Mazotoa hankaty alohan'ny ririnina"sy hoe: "ilay kapôtiko navelako tany Troasy (...) dia ento raha mankaty hianao" - 2 Tim. 4:21,13. Nilain'i Paoly ilay akanjony volon'ondry matevina tao amin'ny tranomaizina tranovato mangatsiaka nisy azy. I Epafrodito koa no nanankinana ny fitondrana ity epistily ity niverina tany Filipy (jereo ny VM, tt. 417,418).

Azo inoana fa noho ny olona nisy tany Filipy (jereo ny Lesona 4), dia nihevitra i Paoly fa tokony hampandeha an'i Epafrodito aloha kokoa ho any amin'izy ireo, ka nanafatra ny Filipianina hoe: oraiso ao amin'ny Tempo izy amin'ny fifaliana indrindra» - Fil. 2:29. Tian'i Paoly ho azo antoka fa tsy mitebiteby momba azy any am-ponja izy ireo. Nohamafisiny koa fa olona tokony homen-kaja eo amin'ny Kristianina i Epafrodito, tsy noho ny hareny na ny toerana misy azy eo amin'ny fiarahamonina, fa noho ny toe-tsainy feno fahafoizan-tena amin'ny fanarahana ny ohatr'i Jesosy (Fil. 2:6-11,29,30; ampitahao amin'ny Lio. 22:25-27). Tsy dia fahita firy ao amin'ny TV ny teny grika nadika hoe «omeo voninahitra». Nampiasaina izany nilazana ny mpanompon'ilay kapiteny ao amin'ny Lio. 7:2, sy ireo olona mihaja omena fitoerana aloha any amin'ny fanasana, ao amin'ny Lio. 14:8, ary i Jesôsy , Izay vato velona, fehizoro, vato voafidy sady (Sara» ao amin'ny 1 Pet. 2:4,6. Lehilahy mahatoky tokoa izany i Epafrodito matoa nampidirina ho isan'izany vondrona izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal