Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.

Daty
Alarobia 28 January 2026

Efa voalaza tany aloha ny anjara asan'i Timoty amin'ny maha mpiara-manoratra ny epistily azy (Fil. 1:1). Izao i Paoly dia manomboka mitanisa an-tsipiriany ny maha sarobidy an'i Timoty amin'ny maha mpiara-miasa aminy azy. Nolazainy fa evanjelista izy (2 Tim. 4:5) izay nirahin'i Paoly tany Makedonia (1 Tes. 3:2; ampitahao amin'ny Asa. 18:5; Asa. 19:22) ary, imbetsaka, tany Korinto (1 Kôr. 4:17; 1 Kôr. 16:10). Niasa niaraka tamin'i Paoly sy i Silasy tany Korinto izy talohan'izany (1 Tes. 1:1; 2 Tes. 1:1) ary, taty aoriana, tany Efesosy (1 Tim. 1:2,3; ampitahao amin'ny Asa 19:22). Nosoritsoritan'i Paoly ho "mitovy fanahy" aminy i Timoty (Fil. 2:20). Ny teny Grika nadika hoe "mitovy fanahy" dia manondro fa nitovy tamin'i Paoly tamin'ny lafiny maro izy, anisan'izany ny fanolorany ny tenany ho an'i Kristy, ny ezaka feno hafanam-po nitoriany ny filazantsara, ary ny fitsinjovany manokana ireo Filipianina.

Nahoana, araka ny hevitrao, no nanokana fotoana lava niresahana ny toetra tsara nananan'i Timoty i Paoly (jereo ny Fil. 2:19-23)? Inona koa no nolazain'i Paoly momba azy (jereo ny 1 Kôr. 4:17; 2 Tim. 1:5)?

Toetra iray hafa resahin'i Paoly momba an'i Timoty koa ny hoe "lehilahy voazaha toetra" (Fil. 2:22). Ny teny Grika ampiasaina eto dia mamaritra olona izay nandalo fisedrana mahamay maro (Rôm. 5:4), ary ny toetrany sy ny fanompoany dia voaporofo fa mahatoky (2 Kor. 2:9; 2 Kôr. 9:13). Fantatr'i Paoly fa marina izany momba an'i Timoty satria hitany nandritra ireo fotoana maro niarahany niasa taminy nitory ny filazantsara izany.

Ny zava-tsarotra eo amin'ny fiainana no mizaha toetra antsika sy mampiseho, marina ny ao anatintsika. Hoy i Ellen G. White momba izany: "Mitaiza ny fiainana. (...) Hisy ny fihantsiana mba hitsapana ny fahatezerana; ary amin'ny fiatrehana izany amin'ny toe-tsaina araka ny tokony ho izy no itomboan'ny Kristianina amin'ny fahasoavana. Raha zakaina amim-pahamoram-panahy ny hasomparana sy ny fanarabiana, raha valiana amin'ny teny malefaka ny teny mandratra, ary valian-tsoa ny fampahoriana, dia porofo izany fa mitoetra ao am-po ny Fanahin'i Kristy." — TFC, b. 5, t. 344. Ary mbola tohizany hoe: raha "iaretana tsara" ireo "zava-tsarotra sy fanorisorenana niantsoana antsika mba hozakaina" dia "mamolavola toetra tahaka ny an'i Kristy izany, izay mampiavaka ny Kristianina amin'ny olon'izao tontolo izao." TFC, b. 5, t. 344.

Saino ny amin'ireo fihantsiana, zava-tsarotra, sy fanorisorenana natrehinao vao tsy ela izay. Nozakainao tamim-pahamoram-panahy sy niaretanao tsara ve izany? Inona no azonao atao mba hahatonga ireny fanandramana ireny ho mpitaiza anao ho amin'ny tsara? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal