Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA FITIAVANA - Miantra

Daty
Alakamisy 30 January 2025

Na zava-mahatahotra tokoa aza ny fahatezeran'Andriamanitra dia tsy haratsian-toetra na tsy fitiavana izany tsy akory. Ny mifanohitra amin'izany aza no hita ao amin'ny TT sy ny TV; tezitra Andriamanitra noho ny fitiavany. Ny fifanoherana lehibe eo amin'ny faharatsiana mamohehatra sy ny fahatsaran'Andriamanitra madio sy be voninahitra no mahatonga izany.

Araka izany, ny fitiavana no tena lehibe amin'Andriamanitra fa tsy ny fahatezerana. Tsy misy fahatezerana ao amin'ny toerana tsy misy faharatsiana na tsy fahamarinana. Amin'ny farany, ny fihetsika maneho fitiavana lehibe indrindra ataon'Andriamanitra amin'ny famongorana tanteraka ny faharatsiana, dia hamarana hatreo koa ny fahatezerana. Tsy hiverina hisy intsony mantsy ny ratsy na ny tsy fahamarinana. Ny fahasambarana  sy ny fahamarinana ao anatin'ny fifandraisam-pitiavana tonga lafatra mantsy no hanjaka mandrakizay doria. Tsy hisy intsony ny fahatezeran'Andriamanitra satria tsy misy ilana izany intsony. Mahafinaritra re izany!

Raisin'ny olona sasany ho fisehoan'ny fahatezeran'Andriamanitra ny valifaty ataony amin'ireo izay nanao ratsy taminy. Vakio ny Deo. 32:35, Ohab. 20:22, Ohab. 24:29, Rôm. 12:17-21, sy ny Heb. 10:30. Inona ny fampitandremana omen'ireo andininy ireo momba ny valifaty ataon'ny olombelona?

Manana zo hanao fitsarana Andriamanitra araka ny Soratra Masina, ary isaky ny manao izany Izy dia amim-pahamarinana tanteraka mandrakariva no anaovany izany. Mazava ny voalaza ao amin'ny TT sy ny TV fa an'Andriamanitra ny famaliana. Hoy i Paoly: "Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: 'Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehôvah '." - Rôm. 12:19 (nalaina avy amin'ny Deo. 32:35).

Hampihatra ny fitsarany amin'ny ratsy sy ny tsy marina Andriamanitra amin'ny farany, kanefa nanome vahaolana ho an'izay rehetra mino Azy i Kristy. I Jesôsy tokoa mantsy no "Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy"-1 Tes. 1:10 (ampitahao amin'ny Rôm. 5:8,9). Mifanaraka tsara amin'ny drafitr'Andriamanitra izany: "Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika." - 1 Tes. 5:9. Misy tokoa ny fahatezeran'Andriamanitra, saingy noho ny fahasoavan'i Kristy dia afaka amin'izany izay rehetra mino Azy.

Sady manandratra ny fahamarinana ny fanavotana nataon'i Kristy no manafaka antsika amin'ny fahatezerana; amin'ny fomba ahoana? Raha tsapanao fa nafahana ianao na dia olona tsy tanteraka sy be fahadisoana aza, tsy mainka ve tokony halemy fanahy amin'ny hafa ianao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal