Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 7

Daty
Talata 29 April 2025

Naseho tamin'ny mpanjaka babilonianina iray aloha ny nofy ao amin'ny Dan. 2. Fa ny nofy ao amin'ny Dan. 7 kosa dia naseho tamin'ny mpaminany hebreo iray, izay isan'ny vahoakan'ny fanekena.

Ilay lohahevitra naseho an'i Nebokadnezara ihany no naseho an'i Daniela, saingy tamin'ny fomba hafa. Tsy sariolona no hitany fa firenena nifandimby niakatra avy tao amin'ny ranomasina, izay nasamboaravoaran'ny rivotra. Nisy ady mandrakariva teo amin'izy ireo ka nahatonga fiovaovana hatrany teo amin'ny fahefany. Oharina amin'ny tondra-drano sy ny onjan-dranomasina ny fihahohahon'ny firenena ao amin'ny Sal. 65:5-8, Isa. 17:12, 13 sy Jer. 46:7,8.

Ny Tany nampanantenaina anefa dia nisy tokoa nandritra ny fotoana voafaritra, toy ny nosy feno fiadanana sy fandriam-pahalemana teo anivon'ny ranomasin'ireo fanjakana jentilisa firenena masina mipetraka eo amin'ny fanorenana mafin'ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, mifanohitra amin'ireo firenena maditra manodidina azy.

Vakio ny Dan. 7:1-3. Misy fiovaovana betsaka ny toe-javatra eto. Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'ny sary aseho eto, toy ilay biby voalohany niakatra avy tamin'ny ranomasina, ohatra?

Raha mbola nitazana avy teny amorony ny fisafotofoton'ny adin'ny Jentilisa i Daniela, dia nanomboka niakatra an-tanety ireo biby ireo-tonga teo amin'ny tany nisy azy! (jereo koa ny Dan. 8) Nanjary olan'ny vahoaka mpiray firenena aminy koa ny olan'ny Jentilisa. Nifidy hiaina toy ny Jentilisa izy ireo, koa dia hiara-miaina amin'ny Jentilisa tokoa (sy eo ambanin'ny fahefany). Hatramin'ny fotoana nanjakan'ny Babiloniana dia tsy nahazo fahaleovantena tanteraka na maharitra intsony ny vahoaka voafidin'Andriamanitra.

Haharitra hatramin'ny andro farany io fahaverezan'ny fahaleovantenan'ny vahoakan'Andriamanitra io, mandra-pametrahana an'i Kristy eo amin'ny toeram-boninahitra mendrika Azy, amin'ny maha-Mpanjaka Azy. Niari-pahoriana hatrany ny vahoakan'Andriamanitra tao amin'ny TV, teo ambanin'ny fahefan'ny fanjakana romanina, ary avy eo nandritra ny fanenjehana nataon'ilay tandroka kely, izay fanjakana nandimby an'i Rôma jentilisa.

Na nisy firenena tsara noho ny sasany aza teo amin'ny tantara, ary vanim-potoana milamina kokoa noho ny sasany, ny tantaran'ireo firenena, vahoaka, ary fanjakana ankapobeny dia tsy ahitana afa-tsy fialana amin'ny loza iray ho amin'ny loza iray hafa, fialana amin'ny mpampahory iray ho amin'ny mpampahory iray hafa. Ary matetika mpitondra milaza ny tenany ho manana fikasana tsara indrindra ho an'ny vahoakany no manao izany rehetra izany. Mifanipaka tanteraka amin'ny fitondrana izay nirin'Andriamanitra hitantanana ny vahoakany izany; raha mba nifidy azy mantsy izy ireo!

Ahoana no anazavan'ny Rôm. 3:10-19 ny ankamaroan'ny zava-mitranga eto amin'izao tontolo izao? Ahoana no anehoan'ny and. 19 manokana ny antony ilantsika indrindra ny filazantsara eo amin'ny fiainantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal