Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny tany sy ny ranomasina

Daty
Alarobia 30 April 2025

Ny sary an'ohatra momba ny tany sy ny ranomasina ao amin'ny Baiboly, indrindra fa amin'ny faminaniana, dia azo andraisana fampianarana lehibe. Diniho ny tranga ahitana ny fampiasana ara-tandindona ny tany sy ny ranomasina ao amin'ny faminanian'ny Baiboly, izay mifanohitra tanteraka.

"Raha tandindona no resahina, rehefa ampitahaina ny tany sy ny ranomasina, ny tany dia matetika maneho izao tontolo izao misy firindrana, maneho ny tanin'ny Isiraely mihitsy aza, fa ny ranomasina kosa manondro ny firenena jentilisa izay mampidi-doza azy tahaka ny ranomasina mampidi-doza ny tany." Beatrice S. Neall, "Sealed Saints and the Tribulation," ao amin'ny Symposium on Revelation, b. 1, ed. Frank B. Holbrook, (Silver Spring, MD: Biblical Research Institute, General Conference of Seventh-day Adventists, 1992), t. 260.

Araka io fisainana io, ny tany dia toerana milamina, miorina amin'ny fitondran’Andriamanitra; ny ranomasina kosa dia maneho ny fisavorovoron'ny firenena vokatry avonavon'ny olombelona.

Vakio ao anatin'izany tontolon-kevitra izany ny Apôk . 12:15,16 sy ny Apôk. 13:1,11. Mari ho ny tsy fitovian'ny rano sy ny tany. Ahoana no ampiasana azy ireo, ary inona no ampianariny antsika mikasika ny fomba tokony hahatakarantsika ny faminaniana?

Mariho fa nampiasa rano ny dragona hanenjehana ilay vehivavy (ny Fiangonana). Araka ny efa hitantsika, matetika ny rano no maneho ireo fitondram-panjakan'izao tontolo izao sy ny fikorontanana miaraka aminy, ao amin'ny faminaniana. Hitantsika araka izany, teo amin'ny tantaran'ny fiangonana ankapobeny, ny fomba nampiasan'i Satana ny sarambabe, tarihin'ireo mpitondra azy, mba hanenjika ny vahoakan’Andriamanitra.

Takatry ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito fa manondro ny fifindra-monin'ireo mpino nenjehina ho ao Amerika ny Apôkalipsy 12:16. Raha marina ny fahatakarantsika momba ny tany sy ny ranomasina, inona no ambaran'izany momba ny fototra iorenan'ny Repoblika Amerikanina?

Azontsika heverina ho ilay "tany" tahaka ny "Tany Nampanantenaina" - toerana natokana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra ve izany? Mety ho izany ve no mahatonga ilay biby niakatra avy tamin'ny tany ho toy ny zanak'ondry amin'ny voalohany? Na dia tsy tonga "Isiraely Vaovao" mihitsy aza i Amerika, araka ny nofinofin'ireo nanorina azy tany am-piandohana, dia tany feno fahalalahana ara-pivavahana kosa izy ho an'ireo vahoaka an-tapitrisany maneran-tany izay nenjehina noho ny fivavahany.

Indrisy fa indray andro any, io bibidia tahaka ny zanak'ondry io dia hiteny "tahaka ny dragona" (Apôk . 13:11). I Etazonia, izay nahitan'ireo voaenjika fahafahana maharitra, no hanjary mpanenjika lehibe indrindra ny fivavahana. Hitantsika eto ny ohatra iray hafa maneho izay mitranga rehefa mifidy hitondra ny tenany ny olombelona fa tsy hotarihin'Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal