Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 01 August 2025

Vakio "ny Paska", PM, toko 24.

"Andro firavoravoana natao fahatsiarovana sy tandindona ny Paska. Tsy hoe fampahasiaro-vana ny fanafahana tamin'ny fanandevozana tany Egypta ihany izy, fa koa tandindon'ilay fanavotana lehibe hataori'i Jesôsy ho an'izao tontolo izao. Ny zanak'ondry hatao fanatitra dia tandindon'ny 'Zanak'ondrin'Andriamanitra', Ilay hany fanantenam-pamonjena ho antsika. Fa voavono Kristy 'Paska ho antsika' hoy ny apôstôly (1 Kôr. 5:7). Tsy ampy ny namonoana ny zanak'ondry, fa tsy maintsy natentina teo amin'ny tolam-baravarana koa ny rany. Dia toy izany koa no tsy maintsy hanolorana ny fahamendrehan'ny Mpamonjy amin'ny fanahy izay mino. Tsy hoe akory nanolotra ny ainy ho an'izao tontolo izao fotsiny Jesosy, fa koa ho an'ny tsirairay isam-batan'olona raha tahiny mandray ho an'ny tenany ny herin'ny sorona nataony izy." PM, t. 273 (ed 1985).

Mandraka ankehitriny dia mankalaza ny Paska, na Pesach, ny fianakaviana Jiosy mafana fo manerana izao tontolo izao. Manana ilay fomba antsoiny hoe "Séder de Pessa'h" (midika hoe "fandaharana/fandaminana" ny "Séder") izy ireo, ary mandritra izany dia mitantara ny nanafahana azy tamin'ny fanandevozan'ny Egyptianina izy ireo, avy eo miara-misakafo manokana amin'ny fianakaviana. Mahavariana fa voatahiry hatramin'ny fotoan'ny Eksodosy ka mandraka ankehitriny izany fomba izany! Ny Sabata andro fahafito kosa, izay tandreman'ny Jiosy koa, dia efa nisy hatramin'ny fahagola.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1.Ahoana no ahafahantsika mahatakatra ny "rariny" araka ny fisainan'ny Tompo rehefa namono ny lahimatoan'i Egypta Izy, izay maro tamin'izy ireo по azo antoka fa "tsy nanan-tsiny"? Ahoana no ahafahantsika mampifanaraka izany amin'ilay fahamarinana tsy azo jadian-kevitra momba ny maha-fitiavana an'Andriamanitra? Saino koa ny amin'ny Safodrano. Ahoana no fahatakarantsika izany?

2. Inona no hevitr'ilay fitenenana misy sary an'ohatra hoe: rakofan'ny ran'i Jesôsy ny mpino, ka ny rany no manadio azy ireo ho afaka amin'ny fahotany rehetra?

3.Vakio ity lahatsoratra ity: "Tsy maintsy nandia ny fiainan'i Jesôsy koa ny mpianatra. Tsy maintsy mandray sy mivelona amin'ny Tenin'Andriamanitra Izy mba hahatonga izany teny izany ho vy miaina hampihetsika ny fiainany rehetra. Tsy hanana aim-panahy mihitsy izy raha tahiny ka tsy mihinana ny nofo sy misotro ny ran'ny Zanak'Andriamanitra. Amin'izany ihany no hiovany araka ny endriny sy hahazoany mampiseho ny toetran'Andriamanitra eo aminy." - PM, t. 274. Ahoana no amelantsika an'i Kristy hanatanteraka izay voasoratra eto amintsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal