FIANARANA FANAMPINY
Vakio "Ny nandravana an'i Jeriko", PM, toko 45, tt. 514-520, ed. 1985.
"Ny fitiavam-bola no niteraka ny fahotana izay nahatonga an'i Akana ho faty. Anisan'ny fahotana manenika amin'izao fotoana izao, nefa tsy heverina firy ny fitiavam-bola. (...)
"Diso aoriana loatra ny fiaikena nataon'i Akana ka tsy nahasoa azy intsony. Hitany ny miaramilan'ny Isiraely naratra sy kivy niverina avy tany Ay; hitany i Josoa sy ny loholona niondrika tamin'ny tarry tamim-pahoriana tsy hay lazaina. Raha mba tamin'io fotoarna lo mantsy no niaikeny ny helony, dia ho naneho porofon'ny tena fibebahana marina izy. Tsy niteny anefa izy fa nangina. Nambara taminy fa nisy heloka lehibe izay fantatra mazava tsara niseho; nefa tsy niloa-bava izy. Dia nampandalovina filokana ny raharaha, ka tamim-panahy nivarahontsan'ny tahotra no nahitany ny firenena sy ny foko ary ny ankohonana nisy azy voatana hatrany hatrany! Tamin'izany anefa dia mbola nihenahena tsy nanonona fiaikena kely akory izy. Nandrasany ny rantsan-tanan'Andriamanitra mihitsy no hanondro azy, ary rehefa tsy nisy fomba ahafahany miery intsony vao niteny izy. Mampalahelo anefa matetika, ny fisian'irony karazam-piaikena izay tsy anekena ho meloka raha tsy efa fanta-bahoaka! Misy fahasamihafana lehibe anefa ny fiaiken-keloka rehefa hita porofo izany, sy ny miaiky ny heloka izay tsy misy mahalala afa-tsy ny tenany sy Andriamanitra ihany! Tsy ho niaiky ny fahadisoany tahaka izay nataony akory anefa i Akana, raha tsy nantenainy tamin'izany fa hanafaka azy amin'ny vokatry ny halatra nataony izany. Ka raha nipoitra ny fiaiken-kelony tamin'ny farany, dia ny hanehoana ny maha-rariny ny famaizana nahatra taminy no nampiasana azy. Tsy hita soritra tamin'izany na fibebahana, na nenina noho ny ola natao, na fiovan-toetra, na faharikorikoana ny ratsy." - PM, tt. 517-519 (np).
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Ifanakalozy hevitra ny amin'ny didy fahafolo sy ny hevitra fonosiny (Eks. 20:17) ao anatin'ny tontolo izay anjakan'ny dokam-barotra sy ny fanjifana. Ahoana no hahaizantsika manavaka ny zavatra irintsika sy ny zavatra ilaintsika eo amin'ny fiainana, ary nahoana no manan-danja izany fanavahana izany?
2. Vakio ny vavak'i Daniela ao amin'ny Dan 9:4-19. Rehefa nanota ny Isiraely, nahoana no zava-dehibe ny fiaiken-keloka nataon'i Daniela hoe "efa nanota izahay", na dia tsy misy fitantarana velively ny amin'ny ratsy nataon'l Daniela aza ao amin'ny lahatsoratra?
3. Saino ny amin'ilay fanontaniana ao amin'ny faran'ny lesona Alakamisy. Nahoana no zava-dehibe ny fankatoavan'ny Isiraelita ny "didy sy ny fitsipika" rehetra mba hinoan'ny hafa ny fanambarany? Mihatra amin'ny fiangonantsika ankehitriny koa izany foto-kevitra izany; amin'ny fomba ahoana? Izany hoe, handresy lahatra be lavitra manao ahoana ny fanambarantsika raha tena arahintsika marina ny didy amam-pitsipika rehetra nomen'Andriamanitra antsika?