Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 07 November 2025

FIANARANA FANAMPINY 

Vakio "Ny nandravana an'i Jeriko", PM, toko 45, tt. 514-520, ed. 1985.

"Ny fitiavam-bola no niteraka ny fahotana izay nahatonga an'i Akana ho faty. Anisan'ny fahotana manenika amin'izao fotoana izao, nefa tsy heverina firy ny fitiavam-bola. (...)

"Diso aoriana loatra ny fiaikena nataon'i Akana ka tsy nahasoa azy intsony. Hitany ny miaramilan'ny Isiraely naratra sy kivy niverina avy tany Ay; hitany i Josoa sy ny loholona niondrika tamin'ny tarry tamim-pahoriana tsy hay lazaina. Raha mba tamin'io fotoarna lo mantsy no niaikeny ny helony, dia ho naneho porofon'ny tena fibebahana marina izy. Tsy niteny anefa izy fa nangina. Nambara taminy fa nisy heloka lehibe izay fantatra mazava tsara niseho; nefa tsy niloa-bava izy. Dia nampandalovina filokana ny raharaha, ka tamim-panahy nivarahontsan'ny tahotra no nahitany ny firenena sy ny foko ary ny ankohonana nisy azy voatana hatrany hatrany! Tamin'izany anefa dia mbola nihenahena tsy nanonona fiaikena kely akory izy. Nandrasany ny rantsan-tanan'Andriamanitra mihitsy no hanondro azy, ary rehefa tsy nisy fomba ahafahany miery intsony vao niteny izy. Mampalahelo anefa matetika, ny fisian'irony karazam-piaikena izay tsy anekena ho meloka raha tsy efa fanta-bahoaka! Misy fahasamihafana lehibe anefa ny fiaiken-keloka rehefa hita porofo izany, sy ny miaiky ny heloka izay tsy misy mahalala afa-tsy ny tenany sy Andriamanitra ihany! Tsy ho niaiky ny fahadisoany tahaka izay nataony akory anefa i Akana, raha tsy nantenainy tamin'izany fa hanafaka azy amin'ny vokatry ny halatra nataony izany. Ka raha nipoitra ny fiaiken-kelony tamin'ny farany, dia ny hanehoana ny maha-rariny ny famaizana nahatra taminy no nampiasana azy. Tsy hita soritra tamin'izany na fibebahana, na nenina noho ny ola natao, na fiovan-toetra, na faharikorikoana ny ratsy." - PM, tt. 517-519 (np).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ifanakalozy hevitra ny amin'ny didy fahafolo sy ny hevitra fonosiny (Eks. 20:17) ao anatin'ny tontolo izay anjakan'ny dokam-barotra sy ny fanjifana. Ahoana no hahaizantsika manavaka ny zavatra irintsika sy ny zavatra ilaintsika eo amin'ny fiainana, ary nahoana no manan-danja izany fanavahana izany?

2. Vakio ny vavak'i Daniela ao amin'ny Dan 9:4-19. Rehefa nanota ny Isiraely, nahoana no zava-dehibe ny fiaiken-keloka nataon'i Daniela hoe "efa nanota izahay", na dia tsy misy fitantarana velively ny amin'ny ratsy nataon'l Daniela aza ao amin'ny lahatsoratra?

3. Saino ny amin'ilay fanontaniana ao amin'ny faran'ny lesona Alakamisy. Nahoana no zava-dehibe ny fankatoavan'ny Isiraelita ny "didy sy ny fitsipika" rehetra mba hinoan'ny hafa ny fanambarany? Mihatra amin'ny fiangonantsika ankehitriny koa izany foto-kevitra izany; amin'ny fomba ahoana? Izany hoe, handresy lahatra be lavitra manao ahoana ny fanambarantsika raha tena arahintsika marina ny didy amam-pitsipika rehetra nomen'Andriamanitra antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal