NY FIVADIHANA AMIN'NY FANEKENA
Vakio ny Jos. 7. Inona ireo antony roa lehibe nahatonga ny faharesen'ny Isiraely teo anoloan'ny mponina tao Ay?
Mahaliana ny mahita fa hatrany am-piandohana dia fantatry ny mpamaky ny anton'ny fahatezeran'i Jehovah, ary koa ny anaran'ilay nanao heloka. Araka izany, ny fitaintainana mifandraika amin'ny nahitana ny helok'i Akana dia ao amin'ny fifanoheran'ny fomba fijerin'ny mpamaky sy ny an'i Josoa ary ny an'ny Isiraelita. Manana rafitra "chiasme" ny Josoa toko faha-7, tahaka ny toko maro hafa ao amin'ny TT. Ny ampahany afovoany sy faratampony ao amin'io toko io no mamaly ny fanontaniana hoe: nahoana ny Isiraelita no tsy nahafaka an'i Ay tamin'ny fanafihany voalohany?
Antony roa no tena nahatonga ny faharesen'ny Isiraely teo anoloan'ny mponin'i Ay: ny fahotan'i Akana sy ny nitokian'ny Isiraelita tamin'ny herin'ny tenany. lo farany io no nahatonga azy ireo tsy nanontany ny sitrapon'i Jehovah talohan'ny nanafihana an'i Ay, sy nanambany ny herin'ny fahavalo.
Hitantsika ao amin'ny Jos. 7:1, 11-13, fa na i Akana ihany aza no nivadika tamin'ny fanekena ka naka tamin'ny zavatra voaozona, dia ny firenena manontolo no notanana ho tompon'andraikitra sy nizaka ny vokatry ny nafitsony. Nosoritsoritan'Andriamanitra ny fahotan'i Akana, ary nasehony miandalana ny halehibeny tamin'ny nampiasany ny fomba fiteny hoe "efa (...) sady (...) koa" (Heb. gam) ao amin'ny and. 11. Voalohany, ampiasainy ilay teny mahazatra indrindra ilazana ny ota: "khata". Avy eo, ilay fandikana ny fanekena dia soritsoritana amin'ny alalan'ny famaritana ota dimy hafa ialohavan'ny teny hoe gam: (1) abar, izay midika hoe "nanota, nivadika", (2) "fa efa naka" (laqakh) tamin'ny zavatra "voaozona" (kherem), (3) "sady nangalatra" (ganab), (4) "sy namitaka" (kakhash), ka (5) nataony (sim) tao amin'ny entany ny kherem.
Nahafaoka ny olony rehetra, na isam-batan'olona na amin'ny maha-vahoaka azy, ny fanekena nifanaovan'i Yahweh sy ny Isiraely. Araka ny fanekena, ny Isiraely dia fitambarana iray tsy azo sarahina, firenena voafidin'Andriamanitra; koa ny fahotan'ny anankiray, na ny an'ny vitsivitsy amin'ireo mambra ao aminy, dia mitondra fanamelohana ho an'ilay vahoakan'ny fanekena. Araka ny tenin'i Jehovah hoe: "Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin'ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin'ny entany." - Jos. 7:11.
Amin'ny fomba ahoana no mety hijalian'ny fiarahamonina iray manontolo, na efa nizakan'ny filarahamonina fahoriana, noho ny asa ratsin'ny olona iray na vitsy ao anatin'izany fiarahamonina izany? Inona avy ireo ohatra efa hitanao, ary inona ny flantraikan'izany teo amin'ny flarahamonina?