Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza

Daty
Talata 04 November 2025

SAFIDY MAMPIDI-DOZA

Vakio ny Jos. 7:19-21. Inona no asain'i Josoa hataon'i Akana? Inona no hevitr'izany fangatahana izany? Manao ahoana ny fiaikeny ny helony, araka ny fahazoantsika azy?

Zavatra roa no nangatahin'i Josoa hataon'i Akana: voalohany, ny hanome voninahitra an'Andriamanitra sy hanaja Azy. Faharoa, ny hiaiky tanteraka ka tsy hanafina izay rehetra nataony. Tokony ho nanome voninahitra an'Andriamanitra ny fitsoran'i Akana ny nataony. Ny teny ampiasaina eto (todah, nadika hoe "mitsora") dia azo ilazana fisaorana sy fiderana (Sal. 26:7; Isa. 51:3; Jer. 17:26), nefa manambara fiaiken-keloka koa (Ezra 10:11).

Indrisy fa tsy misy filazana ao amin'ny Soratra Masina ny amin'ny fibebahana marina nasehon'i Akana. Nantenainy hatramin'ny farany fa tsy ho tratra izy. Nanjary noraisina ho toy ny mpanao heloka bevava i Akana noho ny toe-tsainy feno fikomiana, izay tsy nisy fanavotana araka ny lalàn'i Mosesy (ampitahao amin'ny Nom. 15:27-31).

Mampahatsiahy ny fahalavoan'i Adama sy i Eva ny tenin'i Akana ao amin'ny Jos. 7:21. Hitan'i (ra'ah) Eva fa mahatsiriritra (khamad) ilay hazo, ary farany dia nanotazany (laqakh) ny voany (Gen. 3:6). Niaiky i Akana fa nahita (ra'ah) kapôty tsara tarehy avy any Sinara, sekely volafotsy roanjato ary anjam-bolamena tamin'ny babo. Avy eo dia nitsiriritra (khamad) izy ka naka (laqakh) izany. Toy ny tamin'i Adama sy i Eva, ny safidin'i Akana dia mampiseho fa ny fahotan'ny fitsiriritana no fahotan'ny tsy finoana. PMampiseho fiahiahiana an'Andriamanitra izany, dia fiheverana fa tsy maniry ny tsara indrindra ho an'ny zavaboariny Andriamanitra ary manafina zava-tsoa azy ireo, izay tsy natao afa-tsy ho an'Andriamanitra irery ihany.

Ankoatra izany, manasongadina fifanoherana lehibe eo amin'ny toe-tsain'i Rahaba (ampitahao amin'ny Jos. 2:1-13) sy ny an'i Akana koa io andininy io. Ny iray nitondra ireo mpisafo tany teo an-tampon-trano ary nanafina azy ireo tamin'ny miaramila; ny iray kosa naka tamin'ny zavatra voaozona ary nanafina izany tamin'i Josoa. Ny iray naneho hatsaram-panahy tamin'ireo mpisafo tany Isiraelita sy nanampy azy ireo hahazo fandresena; ny iray kosa nitondra olana ho an'ny Isiraely tamin'ny fitsiriritany ka nahatonga faharesena. Ny iray nanao fanekena tamin'ny Isiraelita; ny iray kosa nandika ny fanekena nifanaovany tamin'i Jehôvah . Namonjy ny tenany sy ny fianakaviany i Rahaba, ary tonga olom-pirenena nohajaina teo amin'ny Isiraely izy ireo; i Akana kosa nitondra fanamelohana ho faty ho an'ny tenany sy ny fianakaviany ary tonga ohatra ratsy.

Saino ny amin'ny fahotan'ny fitsiriritana. Inona no azontsika atao tsy hahalatsaka antsika amin'izany, na manam-be isika na tsy manana? (Ampitahao amin'ny Lio. 12:15.)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal