Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana

Daty
Alarobia 05 November 2025

VARAVARAM-PANANΤΕΝΑΝΑ

Vakio ny Jos. 8:1-29. Inona no ambaran'ity tantara ity amintsika momba ny fahafahan Andriamanitra manova ny tsy fahombiazantsika lehibe indrindra hanjary fotoana fanararaotra?

Ny paikadin'i Jehôvah dia manova ny faharesen'ny Isiraely tamin'ny voalohany ho fomba fiady ahazoan-tombony, ka ny Lohasaha Akora (teny hebreo midika hoe "Fampidiran-doza") nanjary "varavaram-panantenana" (ampitahao amin'ny Hos. 2:17). Rehefa tonga natoky tena loatra ny mponina tao Ay noho ny nandreseny voalohany ny Isiraelita, dia naverin'izy ireo ny paikadiny tamin'ny fanafihana ny Isiraelita izay nody nandositra sy resy. Vantany vao voatarika hiala ny toeram-pamaharany ireo mponin'i Ay, dia ireo Isiraelita 30.000 lahy, izay napetraka tsy lavitra ny tanána (Jos. 8:3,4), no naka ny tanána foana tamin'ny fandoroana azy. Milaza mazava ny Jos. 8:7 fa tsy ny paikady no mitondra fandresena, fa Jehovah mihitsy no hanome ny fandresena sy hanolotra ny tananan'i Ay ho an'ny Isiraelita. Na misongadina kokoa noho ny any amin'ny toko hafa rehetra amin'ny boky aza ny lafiny ara-tafika ato amin'ity toko ity, dia avohitra ao amin'ny lahatsorany izao fahamarinana fototra izao: fanomezana avy amin'i Jehovah ny fandresena.

Ny fotoana manan-danja indrindra tao anatin'ilay ady dia ny nialan'ireo lehilahy tao Ay tao an-tanánany, ka nanombohany nanenjika ny Isiraelita. Teo no fotoana faharoa nitenenan'Andriamanitra ao amin'ny toko manontolo, taorian'ny nanomezany ny paikady ao amin'ny Jos. 8:2, izay manambara fa Izy no mitondra ny ady. Hatreto dia tsy fantatsika izay ho vokatry ny ady. Mazava kosa ny tohiny fa nandresy ny tafika Isiraelita.

Ny fitaovam-piadiana teny an-tanan'i Josoa dia sabatra miendrika antsy fijinjana, na lefom-pohy, fa tsy sabatra mahitsy na lefona. Tsy nampiasaina ho fitaovam-piadiana loatra izany tamin'ny andron'i Josoa, kanefa nanjary tandindon'ny fiandrianana. Ary tsy anehoana famantarana ny fanafihana fotsiny izany, fa maneho koa ny fiandrianan'Andriamanitra tao anatin'ny fandresena an'i Ay. Natondron'i Josoa ilay lefona miendrika antsy fijinjana mandra-pahazoana ny fandresena feno; hita amin'izany fa noraisiny tanteraka ny andraikitry ny maha-mpitarika izay nosahanin'i Mosesy tamin'ny niampitana ny Ranomasina Mena (Eks. 14:16) sy tamin'ny ady tamin'ny Amalekita (Eks. 17:11-13), izay nitarihan'i Josoa mivantana ny ady.

Tsy nisy fidiran'Andriamanitra an-tsehatra tamin'ny fomba mahagaga sy hita maso tamin'ity indray mandeha ity, kanefa ny fanampian'Andriamanitra tamin'ny fandresena an'i Ay dia tsy latsa-danja noho ny tamin'ny fandresen'ilay taranaka voalohany ny Egyptianina, na tamin'ny fandresena an'i Jeriko vao tsy ela. Tao amin'ny finoan'i Josoa ny tenin'ny Tompo sy ny fankatoavany tsy azo hozongozonina no nisy ny tsiambaratelon'ny fahombiazana. Manan-kery hatrany ho an'ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny, na aiza na aiza misy azy ireo ary na inona na inona zava-tsarotra atrehiny, ny foto-kevitra hita ato amin'ity tantara ity.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal