Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FANAMBARANA MARO MOMBA AN’I JESÔSY - Fanekena sy fandavana

Daty
Talata 05 November 2024

FANEKENA SY FANDAVANA

Manoritsoritra ny namahanan'i Jesôsy ireo olona tsy omby dimy arivo ao amin'ny Jao. 6 ny lesona 2, fa tsy voalaza ao ny ampahany farany amin'io tantara io, izay hodinihintsika eto.

Vakio ny Jao. 6:51-71, Inona no nolazain'i Jesôsy, Izay nanahiran- tsaina ny olona ny nandray azy?

Novokisan'i Jesôsy tamin'ny fomba mahagaga ny vahoaka, koa vonona izy ireo izao hanao Azy ho Mpanjaka (Jao. 6:1-15). Kanefa taty aoriana, rehefa niresaka tamin'izy ireo tao amin'ny sinagóga tao Kapernaony i Jesôsy, dia nohazavainy taminy ny hevitra ara-panahy fonosin'ilay fahagagana, ka hoy Izy: "Izaho no mofon'aina" - Jao. 6:35. Nambarany an-tsipiriany kokoa fa ny nofony io mofo io, izay omeny ho fiainan'izao tontolo izao (Jao. 6:51).

Nanokatra ny sain'ny vahoaka izany fanambarana izany fa tsy naniry ny ho mpanjakany eto an-tany i Jesôsy. Tsy nifanaraka tamin'ny fomba fisainan'izy ireo araka ny tany i Jesôsy. Tsy nanaiky hiova fo izy ireo, kanefa ho nanova ny fomba fisainany hahafantarany sy hanekeny an'i Jesôsy ho Mesia izany. Maro tamin'ireo mpianany no niala Taminy tamin'io fotoana io (Jao. 6:66).

Inoana fa mafy tamin'i Jesôsy izany, raha ny fahatsapany amin'ny maha- olombelona Azy. Mahafinaritra mantsy izany ankasitrahan'ny olona izany. Iza no tsy maniry ho mamim-bahoaka? Fa mahakivy kosa ny mahita olona maro mihataka sy misalasala manoloana ny foto-kevitry ny tena. Nony hitan'i Jesôsy fa maro no nandao Azy dia nanontany ireo mpianany akaiky Azy Izy, dia izy roambin'ny folo lahy, hoe: "Hianareo koa va mba te-hiala?" Tamin'io fotoana io i Petera no nanao izao fiaikena mahagaga izao, izay sady fanambarana izay ananan'i Jesôsy no manambara ny maha-lzy Azy koa: "Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no llay Masin'Andriamanitra." - Jao. 6:68,69.

Efa roa taona no niarahan'ny mpianatra nandeha tamin'i Jesôsy , nahitany ny fahagagana nataony, nihainoany ny toriteniny. Fantatr'izy ireo tamin'ny alalan'ny fanandramana fa tsy misy na iza na iza azo ampitahaina Aminy. Resy lahatra izy ireo fa na hafahafa toy inona aza ny toe-javatra, na maro aza no tsy mbola takany momba ny tanjona nokendren'ity Lehilahy ity, dia Izy no Mesia. Taorian'ny nahafatesan'i Jesôsy sy ny nitsanganany tamin'ny maty vao nanomboka takatry ny mpianatra ny antony nahatongavan'i Jesôsy .

Inona ny lesona azontsika raisina avy amin'io tantara io? Matetika no diso hevitra ny ankamaroan'ny olona, sa tsy izany? Nahoana no tsy azontsika hadinoina izany, indrindra rehefa ireo lafim-pinoantsika tsy dia ankasitrahan'ny maro eny, tsy ankasitrahan'ny ankamaroan'ny Kristianina aza no resahina?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal