Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FANAMBARANA MARO MOMBA AN’I JESÔSY - Fisainana vaovao momba ny Mesia

Daty
Alatsinainy 04 November 2024

Vakio ny Jao. 1:32-36. Inona no ambaran'i Jaona eto momba an'i Jesôsy, izay tsy nampoizin'ny olona mikasika Ilay Mesia efa nandrasany ela?

Mesia hanafaka azy amin'ny fanapahan'i Rôma no nantenain'ny Jiosy. Nampahorina ela ny Jiosy ka nino fa tsy handrava fotsiny ny fahefan'i Rôma ny Mesia fa hampiorina azy ireo ho firenena lehibe sy matanjaka koa. Ny tenin'i Jaona nilaza an'i Jesôsy ho "Zanak'ondrin'Andriamanitra"anefa, na nanondro mivantana aza izany fa tsy maintsy hanao sorona ny ainy ho fanavotana Izy, dia azo lazaina fa tsy takatry ny ankamaroan'ny olona. Tsy nisy fantatr'izy ireo akory aza angamba izay nolazainy.

Noho izany dia nirin'i Jaona ny hanova ny fisainan'izy ireo momba ny Mesia mba ho hitany ao amin'i Jesôsy ny fahatanterahan'ny faminaniana momba Ilay Mpanjaka ho avy sy ny asany. Tsy tonga amin'ny maha-mpanao pôlitika na mpitari-tafika Azy Izy fa mba hanolotra ny Tenany ho sorona noho ny fahotan'izao tontolo izao. Izany no tanjony. Aorian'izany, rehefa vita ny zavatra rehetra, vao ho tonga ny fanjakany amin'ny farany (jereo ny Dan. 7:18).

Tamin'ny batisan'i Jesôsy, raha nanondro Azy amin'ny maha-Zanak'ondrin'Andriamanitra Azy i Jaona, dia nisy fahazavana vaovao izay nitosaka teo amin'ny asan'ny Mesia. Notarihina teo amin'ny tenin’ lsaia ny sain'ny mpaminany dia Ilay manao hoe: 'Tahaka ny Zanak'ondry entina hovonoina.'"— IFM, t. 96 (ed. 2023).

Hoy i Jaona mpanao batisa ao amin'ny Jao. 1:31: "izaho tsy nahalala Azy". Koa ahoana ary no nahafantarany fa i Jesôsy no Mesia? Izao no valiny: Andriamanitra Izay naniraka an'i Jaona mpanao batisa no efa nilaza taminy mialoha hoe: "Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra." — Jao. 1:33,34. Izany hoe, nambaran'Andriamanitra an'i Jaona fa i Jesôsy no Mesia.

"Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra", no voasoratra ao amin'ny 1 Kôr. 1:24. Avy amin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny herin'ny Fanahiny Masina mandresy lahatra, ny fahalalana an'i Jesôsy ho Kristy. Hita miverimberina ao amin'ny Jaona io lohahevitra io. Tsy avy amin'ny filôzôfia, na siansa, na fianarana ambony araka izao tontolo izao ny famonjena. Avy amin'Andriamanitra irery ihany izany, omeny izay manana fo manolo-tena amim-pinoana sy fankatoavana an'i Jesôsy.

Ahoana no mety hahafantarantsika ny fahamarinana momba an'i Jesôsy, ILay sorona nanavotana antsika, raha tsy nambara tamintsika izany? Nahoana, araka izany, no tena zava-dehibe tokoa ny fahafantarana ny Baiboly sy izay ampianariny momba an'i Jesôsy? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.
Sun 14 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny trano-lay fihaonana.
Mon 15 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba hahalalako Anao.
Tue 16 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
Wed 17 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny fanambaran’Andriamanitra momba ny tenany.
Thu 18 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Namirapiratra ny tavan’i Mosesy.
Fri 19 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny olonao.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.
Sun 21 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny sabatan’i Jehôvah.
Mon 22 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatitra sy ny Fanahy Masina.
Tue 23 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Voaorina ny tabernakely.
Wed 24 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatrehan’Andriamanitra tao amin’ny Tabernakely.
Thu 25 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Nonina niaraka tamin’ny olombelona i Jesôsy.
Fri 26 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal