Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 08 May 2026

Raha ny marina, tokony hivavaka isika satria tena tiantsika Andriamanitra, ary tsy haintsika tsotra izao ny tsy hifampizara Aminy ny zava-drehetra eo amin'ny fiainantsika: na ny fifaliana na ny "fandresena" azontsika, na ny enta-mavesatsika na ny fanahiantsika, na ny fangatahantsika izay haintsika isan'andro. "Azontsika atao ny ho akaiky indrindra an'Andriamanitra, ka raha mamely tampoka ny fakam-panahy dia hitodika faingana any Aminy ny saintsika, dia toy ny fitodiky ny voninkazo any amin'ny masoandro. Ento mandrakariva eo anoloanAndriamanitra ny ilainao, ny fifalianao, ny fahorianao, ny fanahianao, ny tahotrao. Tsy hahasasatra na hahavalaka Azy ny anaovanao izany. Tsy hanao tsinontsinona izay ilain'ny zanany Hay mahay manisa ny volon-dohanao. (...) Ny fony feno fitiavana dia mangoraka noho ny fahoriantsika, eny, na dia noho ny fitantarantsika deny aza. Ento eo Aminy ny zavatra rehetra manahirana ny saina. Tsy misy zavatra mavesatra loatra ka tsy ho zakany, satria lzy no mitana izao tontolo izao, izy no manapaka ny raharaha rehetra amin'izao tontolo izao. Tsy misy na Inona na Inona izay momba ny fiadanantsika azo atao hoe kely loatra ka tsy ho hitany. Tsy misy toko ao amin'ny zava-mihatra amintsika azo atao hoe maizina loatra, ka tsy ho voavakiny; tsy misy zava-tsarotra manahirana loatra, ka tsy ho hainy hazavaina. Tsy misy loza mahazo mihatra na dia amin’izay kely indrindra amin'ny zanany aza, tsy misy tebiteby mampijaly ny fanahy, tsy misy fifaliana mahamiramirana, tsy misy fivavahana marina navoaky ny vava, izay tsy voadiniky ny Raintsika izay any an-danitra, na tsy nanaitra Azy niaraka tamin'izay. ( ...) Ny firaisan'Andriamanitra sy ny fanahy tsirairay avy dia miavaka sady feno indrindra, ohatra ny tsy nisy afa-tsy my fanahy my no nanomezany ny Zanany malalany." - DHK, tt. 114,115.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Kanto ve sa manasatra no hamaritanao ny vavaka? Inona no nahatonga izany fomba fijerinao izany?

2. Misy hafatra manan-danja maro ao anatin'io lahatsoratra etsy ambony io. Inona amin'ireo hevitra ireo no tena manohina ny fonao?

3. Amin'ireo olona telo nodinihintsika tao amin'ny Baiboly tamin'ity herinandro ity (Daniela, Enoka, ary Mosesy), ny fiainam-pivavahaniza no mitovy indrindra amin'ny anao, nahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal