Vakio ny Gen. 5:22-24. Inona no tena fantatsika momba an'i Enoka?
Tsy dia milaza zavatra maro momba ny fiainan'i Enoka ny Baiboly, afa-tsy ny hoe niara-nandeha tamin'Andriamanitra 300 taona izy mandra-pitondran'Andriamanitra azy ho any an-danitra. Mahafinaritra tokoa izany hoe ny fanoloran-tena tsy miovaova ho an'Andriamanitra no mamaritra ny fiainan'ny olona iray!
Ny fantatsika dia ity: tsy maintsy ho "naharitra tamin'ny fivavahana" i Enoka (Rom. 12:12), niaritra sy nanakaiky bebe kokoa an'Andriamanitra tamim-pinoana tao anatin'ny fanandramana niainany isan'andro. Nitombo hatrany ny faharatsiana teto an-tarry tamin'ny androny, ary somebiseby tamin`ny fanompoana an'Andriamanitra i Enoka, saingy tsy ho nahavita tsara izany raha tsy nitoetra tao Aminy.
"Tsy nanao tsirambina ny firaisana tamin'Andriamanitra i Enoka na dia teo afovoan'izany asany be dia be izany aza. Arakaraka ny havesatry ny adidy izay niantsorohany, dia arakaraka zany ihany koa no nivavahany matetika kokoa tamim-po mafana. Rehefa avy nanao asa famonjem-panahy izy, dia nitokana lavitra ny vahoaka, mba hikatsaka ny fahalalana an'Andriamanitra izay nampangetaheta sy nahanoana azy fatratra. Taorian'ireny fotoana niraisany tamin'Andriamanitra ireny, dia nanjelanjelatry ny fahazavan'i Jesôsy ny tarehiny; rehefa tafaverina indray teo afovoan'ny olona izy, na dia ny ratsy fanahy aza, dia nijery azy tamim-panajana niharo tahotra."-- PM, t. 66.
Tsy mitaky antsika hanao toy ny mpitoka-monina Andriamanitra, hisaraka tanteraka amin'izao tontolo izao ka tsy misy ilana antsika intsony eto an-tarry. Tahaka an'i Enoka dia afaka hahombysy hahafantatra izay ilain'ny manodidina antsika isika, saingy amin'ny alalan'ny fiaraha-mandeha sy ny firesahana amin'Andriamanitra, ny fifandraisana tsy tapaka sy maharitra Aminy ihany no ahafahan'ny Tompo maneho ny toetrany tsara sy mahafinantra amin'ny alalantsika.
Afaka mivavaka na aiza na aiza sy amin'ny fotoana rehetra isika. Tsy misy toerana eto an-tarry ka tsy ahitany na andrenesany antsika (Sal. 139:7-12; Fit. 3:55-57). Na izany aza, tsara ny mivavaka amin'ny feo mafy fa tsy ao an-tsaina fotsiny. Rehefa mivavaka mangina isika, dia mety ho mora variana na tsy hahalaza hatramin'ny farany ny fehezanteny ao an-tsaintsika, ary mety ho sarotra kokoa ho an'ny eritreritsika ny hifantoka. Fa rehefa mivavaka amin'ny feo mafy isika, na amin'ny feo mahazatra na mibitsibitsika, dia mampahatsiahy ny tenantsika fa misy marina Andriamanitra; mihaino izy, ary manan-javatra voafaritra horesahina Aminy isika.
Eo am-pamakivakianao ny tontolo andro anio, aiza na amin'ny fomba ahoana no iresahanao amin’i Jesôsy?