Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.

Daty
Alakamisy 07 May 2026

Vakio ny Eks. 32:31,32. Inona no ampianarin'izany antsika momba an'i Mosesy sy ny vavaka?

Nanam-pahasahiana nifona ho an'ny vahoakan'Andriamanitra imbetsaka i Mosesy. Nitodika tamin'Andriamanitra izy rehefa nangetaheta ny oIona (Eks. 15:25; Eks. 17:2-6), rehefa noana ny olona (Nom. 11:21,22), ary rehefa tao anatin'ny famoizam-po tanteraka (Nom. 11:11-15). Rehefa nanamboatra ilay ombilahy kely volamena ny lsiraelita, nefa vao avy nanao fanekena tamin'izy ireo Andriamanitra, dia hoy i Mosesy raha nahatsiaro izany: "Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho. izay nahatezeran'i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehôvah tamin'izany andro izany" - Deo. 9:19.

lzao koa no notsaroan'i Mosesy rehefa niverina avy tany amin'ny Tany Nampanantenaina ireo mpisafo tany: "Ary niankohoka teo anatrehan'i Jehôvah aho nandritra izany efa-polo andro sy efapolo atina izany, satria efa nolazain'i Jehôvah fa handringana anareo lzy" - Deo. 9:25. 

Rehefa navahana tamin'ireo foko hafa i Levy mba hanompo ao amin'ny fitoerana masina, dia izao no tadidin'i Mosesy: "Ary izaho nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra tahaka flay teo ihany; ary Jehôvah nihaino ahy tamin'izany andro izany koa ka tsy nety nandringana anao."- Deo. 10:10. Nihaino ny fitalahoan'i Mosesy Andriamanitra.

Betsaka no azontsika ianarana avy amin'ny fiainan'i Mosesy raha ny momba ny vavaka sy ny fifikirana amin'Andriamanitra: 

• Nanam-pitiavana lalina an'Andriamanitra i Mosesy, ary nahita mazava ny toetrany. Nanoritsoritra ny Tenany tamin'i Mosesy Andriamanitra ao amin'ny Eks. 34:6: "Jehôvah , Jehôvah , Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana." 
• Sady nanam-pahasahiana no nahatoky i Mosesyteoam-pifikiranytamin'Andriamanitra nandritra ilay dia manasatra nankany amin'ny Tany Nampanantenaina, na tamin'ny mora na tamin'ny sarotra. Na niatrika ady toa antsika rehetra ihany aza i Mosesy, dia natoky ny herin'Andriamanitra, ny fanatrehany ary ny fitarihany izy teo amin'ny fiainany (Eks. 33:13). 
• Nampahatsiahivin'i Mosesy an'Andriamanitra ny fanekeny (Eks. 32:13), notakiny ho an'ny vahoakany ny teny fikasany (Deo. 7:8), ary notsaroany ny fitantanan'Andriamanitra tamin'ny lasa (Deo. 8:2).

• Neken'i Mosesy ny valim-bavaka nomen'Andriamanitra, na "eny" izany na "tsia". Ny fananana fifandraisana ety amin'Andriamanitra dia tsy midika fa tsy maintsy hahazo izay tiantsika mandrakariva isika (Deo. 3:23-29), nefa tokony hivavaka amim-paharetana hatrany isika na izany aza (Lio. 18:1-8). Iza no mila anaovanao vavaka fanelanelanana izao ankehitriny izao? Inona no manakana anao tsy hivavaka dieny izao?.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal