Roswell F. Cottrell, "Spiritual Gifts," tt. 5-16, ao amin'ny Spiritual Gifts, b. 1 nosoratan'i Ellen G. White.
"Aoka ny olona hivoaka mba hiasa amim-patokiana ny Tompo, ary Izy hiara-mandeha amin'izy ireo ka handresy lahatra sy hanova ny fo. Mety ho mpandaha-teny mavitrika ny mpiasa iray, ny iray kosa mpanoratra, ary ny hafa mety manana fanomezam-pahasoavan'ny vavaka mafana sy vokatry ny fo, ny an'ny sasany mety ho fanomezam-pahasoavan'ny hira. Mety hisy koa manana fahaizana manokana hoenti-manazava tsara ny Tenin'Andriamanitra. Ary ny fanomezam-pahasoavana tsirairay dia tokony ho tonga hery miasa ho an'Andriamanitra, satria miara-miasa amin'ireo mpiasa Andriamanitra. Tenim-pahendrena no omeny ny olona iray, ny hafa kosa omeny fahalalana, ary ny iray omeny finoana. Kanefa izy rehetra dia míasa eo ambany fitarihan'ny loha iray ihany. Ny fisian'ny fanomezam-pahasoavana samy hafa no maha-samihafa ny asa atao, "nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra."- 1 Kor. 12:6.
"Aoka tsy hisy hanambany ireo fanomezam-pahasoavana heverina ho kely kokoa. Aoka hiasa ny rehetra. Áoka tsy hisy hitomoe-poana amin'ny tsy finoana noho ny fiheverany ny tenany ho tsy afaka manao asa lehibe. Atsaharo ny fijerena ny tena fa jereo ny Mpitarika anao. Ataovy izay azonao atao, amin'ny fahalemem-panahy sy ny fahitsiana ary ny fitiavana."-ARSH, 12 Avrily 1906.
"Ny tsirairay avy amintsika dia mila ny fanampiana izay azontsika raisina avy amin'ny sain'ny hafa. Híasa ao amin'ny fisainan'ny hafa ankoatra antsika Andriamanitra. Ny fanomezam-pahasoavana samihafa nomena ny tsirairay dia natao hitambatra "ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy."- Efes. 4:12 (...)
"Hisy mandrakariva ny sakana eo anoloantsika, nefa aoka isika hanaraka Ilay Filohantsika ka hifampitantana mba hiara-miatrika ny zava-tsarotra."- UL, t. 141.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Saintsaino bebe kokoa ny momba ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana. Nahoana ny faminaniana no manan-danja kokoa noho ny fitenenana amin'ny fiteny samihafa izay tsy misy fandikan-teny? Raha ilaina, avereno vakina ny 1 Kor. 14 mba hahatsiarovanao ny tohan-kevitr'i Paoly.
2. Resaho ao amin'ny kilasy ny fiainan'i Ellen G. White sy ny asa fanompoana nataony ary ny antony inoantsika fiangonana fa nanana ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana tokoa izy. Inona ny fitahiana lehibe azon'ny fiangonana avy amin'izany fanomezam-pahasoavana izany? Inona ihany koa ireo fihaikana mikasika ny fahafantarana izay fomba tsara indrindra hampiasana izany fanomezam-pahasoavana izany?
3. Mieritrereta olona telo hatramin'ny dimy izay tena tia anao. Ahoana no ahalalanao fa tena tia anao ireo olona ireo? Inona no ambaran'izany mikasika ny antony iresahan'i Paoly imbetsaka momba ny fitiavana ao amin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny fanomezam-pahasoavana?
4. Na dia manan-danja tokoa aza ny fitiavana, nahoana no tsy izany no hany mason-tsivana hitsarana raha toa milaza ny marina ny olona ary koa mendrika hohenoina?