Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana

Daty
Talata 11 November 2025

ALITARAM-PANAVAOZANA

Inona no nanosika an'i Josoa hanorina alitara ho an'i Jehôvah ? Vakio ny Jos. 8:30,31; ampitahao. amin'ny Deo. 11:26-30; Deo. 27:2-10.

Tamin'ny fotoana niainan'ireo patriarka, dia nanamarika ny lalan'izy ireo teo amin'ny fivahinianany ny alitara, ary tonga fanehoana azo tsapain-tanana ny fitakiany ny tany izay nampanantenain Andriamanitra azy. Izao kosa, ny fanorenan'ny Isiraelita alitara dia vavolombelon'ny fahatanterahan'ireo fampanantenana nomena ireo razany. Araka izany, ny fanorenana alitara no fahatanterahan'ireo toromarika nomen'i Mosesy mivantana (Deo. 11:26-30; Deo. 27:2-10).

Mitana anjara toerana manan-danja ny Jos. 8:30-35 eo amin'ny famolavolana ny hafatra ara-teolojian'io boky io. Ampifampitohizin'ny bokin'i Josoa ny tantara isan'ny mampivarahontsana sy feno herisetra indrindra (ny ady) sy ny fanavaozan'ny Isiraely ny fanekena nifanaovany tamin'Andriamanitra (ny fiankohofana); amin'izany no itondrany antsika hiverina eo amin'ireo lohahevitra ara-teolojia manan-danja indrindra noresahina hatrany am-piandohan'io boky io: ny hitondra ny Isiraely ho amin'ny fiainam-pankatoavana ny fanekena no iraka nampanaovina an'i Josoa (Jos. 1:7). Izany koa no sary aseho momba azy any amin'ny fiafaran'io boky io (Jos. 24).

Na dia manan-danja aza ny ady sy ny fakana ny tany Kanana, dia misy zavatra iankinana aina bebe kokoa noho izany: ny fahatokiana amin'ireo fitakian'ny lalan Andriamanitra. Tsy tanjona tsy akory ny fakana ny tany Kanana fa dingana iray ihany ao anatin'ny fanatanterahana ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny Isiraely sy ny famerenana amin'ny laoniny ny taranak'olombelona rehetra. Ny fahatokiana amin'ireo fitsipiky ny Torah kosa no tena fototra iankinan'ny hoavin'ny taranak'olombelona. Nanao dika mitovy amin'ny lalana i Josoa; nosoratany teo amin'ny vato lehibe nolalorina sokay izany, izay samy hafa tamin'ireo vato nanaovana ny alitara (ampitahao amin'ny Deo. 27:2-8), Araka izany, ny vato izay nanoratana ny didy folo dia natao ho tsangambato manokana, teo anilan'ny alitara, mba hampahatsiahy mandrakariva an'ireo Isiraelita ny tombontsoa sy ny adidy samihafa mifandraika amin'ny fanekena.

Naneho mialoha an'ilay "Jehoshua" (Jesôsy ) ao amin'ny TV i Josoa, i Jesosy izay nomena iraka mba hitarika ny taranak'olombelona hiverina amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra. Tsy maintsy niady tamin'ireo herin'ny ratsy Izy mba hanatanterahana izany tanjona izany. Ny hanatanteraka ireo fitakian'ny fanekena ho antsika no tanjony faratampony: "Fa na firy na firy ny teny fikasan Andriamanitra, dia ao Aminy ny 'eny', ary amin'ny alalany koa ny 'Amena', ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay." - 2 Kôr. 1:20.

Inona avy ireo fomba fanao ara-panahy ataontsika ankehitriny izay mety manana anjara asa mitovy amin'ny fanorenana alitara fahiny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal