Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana

Daty
Talata 11 November 2025

ALITARAM-PANAVAOZANA

Inona no nanosika an'i Josoa hanorina alitara ho an'i Jehôvah ? Vakio ny Jos. 8:30,31; ampitahao. amin'ny Deo. 11:26-30; Deo. 27:2-10.

Tamin'ny fotoana niainan'ireo patriarka, dia nanamarika ny lalan'izy ireo teo amin'ny fivahinianany ny alitara, ary tonga fanehoana azo tsapain-tanana ny fitakiany ny tany izay nampanantenain Andriamanitra azy. Izao kosa, ny fanorenan'ny Isiraelita alitara dia vavolombelon'ny fahatanterahan'ireo fampanantenana nomena ireo razany. Araka izany, ny fanorenana alitara no fahatanterahan'ireo toromarika nomen'i Mosesy mivantana (Deo. 11:26-30; Deo. 27:2-10).

Mitana anjara toerana manan-danja ny Jos. 8:30-35 eo amin'ny famolavolana ny hafatra ara-teolojian'io boky io. Ampifampitohizin'ny bokin'i Josoa ny tantara isan'ny mampivarahontsana sy feno herisetra indrindra (ny ady) sy ny fanavaozan'ny Isiraely ny fanekena nifanaovany tamin'Andriamanitra (ny fiankohofana); amin'izany no itondrany antsika hiverina eo amin'ireo lohahevitra ara-teolojia manan-danja indrindra noresahina hatrany am-piandohan'io boky io: ny hitondra ny Isiraely ho amin'ny fiainam-pankatoavana ny fanekena no iraka nampanaovina an'i Josoa (Jos. 1:7). Izany koa no sary aseho momba azy any amin'ny fiafaran'io boky io (Jos. 24).

Na dia manan-danja aza ny ady sy ny fakana ny tany Kanana, dia misy zavatra iankinana aina bebe kokoa noho izany: ny fahatokiana amin'ireo fitakian'ny lalan Andriamanitra. Tsy tanjona tsy akory ny fakana ny tany Kanana fa dingana iray ihany ao anatin'ny fanatanterahana ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny Isiraely sy ny famerenana amin'ny laoniny ny taranak'olombelona rehetra. Ny fahatokiana amin'ireo fitsipiky ny Torah kosa no tena fototra iankinan'ny hoavin'ny taranak'olombelona. Nanao dika mitovy amin'ny lalana i Josoa; nosoratany teo amin'ny vato lehibe nolalorina sokay izany, izay samy hafa tamin'ireo vato nanaovana ny alitara (ampitahao amin'ny Deo. 27:2-8), Araka izany, ny vato izay nanoratana ny didy folo dia natao ho tsangambato manokana, teo anilan'ny alitara, mba hampahatsiahy mandrakariva an'ireo Isiraelita ny tombontsoa sy ny adidy samihafa mifandraika amin'ny fanekena.

Naneho mialoha an'ilay "Jehoshua" (Jesôsy ) ao amin'ny TV i Josoa, i Jesosy izay nomena iraka mba hitarika ny taranak'olombelona hiverina amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra. Tsy maintsy niady tamin'ireo herin'ny ratsy Izy mba hanatanterahana izany tanjona izany. Ny hanatanteraka ireo fitakian'ny fanekena ho antsika no tanjony faratampony: "Fa na firy na firy ny teny fikasan Andriamanitra, dia ao Aminy ny 'eny', ary amin'ny alalany koa ny 'Amena', ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay." - 2 Kôr. 1:20.

Inona avy ireo fomba fanao ara-panahy ataontsika ankehitriny izay mety manana anjara asa mitovy amin'ny fanorenana alitara fahiny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal