Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 09 August 2025

MOFON'AINA SY RANΟΝ'ΑΙΝΑ

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 15:22-16:36, Gen. 3:1-6, Eks. 17:1-7, 1 Kor. 10:4, Eks. 18:1-27, 1 Kôr. 10:11.

Tsianjery:

"Ary hoy Jehôvah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalako? Saino fa Jehôvah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin'ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin'ny fitoerany avy hianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin'ny fitoerany amin'ny andro fahafito. Dia nitsahatra ny olona tamin'ny andro fahafito." - Eks. 16:28-30.

Taorian'ny nandaozan'ny Isiraely ny tany Egypta, dia niainga ho any amin'ny Tany Nampanantenaina, izay tsy fantany, izy ireo. Dia lavitra sady sarotra no niandry ny vahoaka, ary nila nianatra lesona vaovao maro be izy ireo. Vonona ny hitari-dalana sy hiahy azy ireo ny Tompo; ary niriny tokoa ny hanampy azy ireo hitombo, saingy tsy maintsy nianatra fitsipi-pifehezana izy ireo, ny fifehezan-tena, ny fahafoizan-tena, ny tsy fitiavan-tena, ny fitokiana amin'ny Tompo, ary indrindra koa ny fankatoavana.

Mpitarika hita maso i Mosesy, ary tsy maintsy nanaraka azy sy ny torolalana omeny ny olona raha te handresy. Niankinan'ny ain'izy ireo ny firaisana, ny firaisan-kina sy ny fifanampiana amin'ny maha-fiarahamonina azy. Sakantsakana sy zava-tsarotra maro no niandry azy ireo. Miankina amin'ny fomba flatrehany ireo fotoan-tsarotra ireo sy ny fandraisany an'i Mosesy ny ampahany betsaka amin'ny fitomboany ara-panahy, indrindra rehefa mihabetsaka ny olana.

Misy ohabolana sinoa malaza manao hoe: "Ny dia an'arivo kilaometatra dia manomboka amin'ny indray mandingana." Mifanaraka amin'ny toe-javatra niainan'ny Isiraelita io ohabolana io, ary nila nitoky tamin'ny torolalan'ny Tompo izy ireo tamin'ny dingana tsirairay nataony. Indrisy fa araka ny ho hitantsika dia tsy mora ny nianaran'izy ireo izany lesona izany.

Kanefa, iza moa no mahay izany mora foana?

*Famerenana ny lesona ny sabata 16 Aogositra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal