Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Kor. 13; Mat. 24:12; Gal. 5:22,23; 1 Tim. 1:14; 1 Jao. 4:8.
Tsianjery
"Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo."-1 Kor. 13:13.
Mahay mandresy ny zavatra rehetra ny fitiavana. Izany no mahatonga an'i Paoly miresaka betsaka momba izany. Miseho in-135 mahery ao amin'ireo epistiliny ireo teny iray fototra amin'ny hoe agapao - teny grika mahazatra indrindra ao amin'ny TV hanehoana hevitra momba ny fitiavana. Raha isaina impiry no ahitana io teny io ao amin'ny TV, dia saika ny antsasany no hita ao amin'ny epistilin'i Paoly. Tokony ho fantatsika avy amin'izany ny lohahevitra fototra ao amin'ny epistilin'i Paoly ho an'ny fiangonan'i Korinto.
Misy andalan-teny miavaka maro momba ny fitiavana ao amin'ny TV - toy ny Rôm. 8:35-39, 1 Kor. 2:9, 1 Kor. 8:3, Gal. 2:20, Kol. 1:13, 1 Tes. 3:12, sy ny maro hafa.
Saingy tsy misy azo ampitahaina amin'ny 1 Kor. 13.
Hitantsika tamin'ny herinandro lasa fa raha tsy misy ny fitiavana, dia tsinontsinona ny zavatra rehetra, eny, na dia ny fanomezam-pahasoavana aza. Amin'ity herinandro ity, hodinihintsika misimisy kokoa ny 1 Kor. 13 sy ny endrika kanton'ny fitiavana asehon'izany.
Araka ny ho hitantsika, ny fitiavana dia tsy fihetseham-po loatra fa toe-tsaina kosa; toe-tsaina izay tsy maintsy aseho eo amin'ny fiainana, amin'ny asa sy amin'ny teny; raha tsy izany, dia tsy misy heviny izany.
Voambara feno teo amin'ny fiainan'i Jesôsy ny tena atao hoe fitiavana, sy ny ataon'ny fitiavana.
*Famerenana ny lesona ny sabata 15 Aogositra .