Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.

Daty
Alahady 08 February 2026

Isika rehetra, teo amin'ny fiainantsika, dia samy efa nahita olona izay nanintona antsika sy nirintsika halain-tahaka. Ho an'ny ankizy manokana dia tena zava-dehibe ny hananany ohatra tsara hotahafina, ka ny tsara indrindra dia ny rainy sy ny reniny. Hahita ohatra hafa izy ireo rehefa mihalehibe, izay mifandray amin'ny tontolon'ny asa nofidiny, na amin'ny tantaram-piainan'olona novakiny tao anaty boky. Azon'izy ireo atao koa ny maka ohatra avy amin'ny tantaran ireo olona ao amin'ny Baiboly sy ny fomba niatrehan'izy ireny ny olana, ka mampitaha izany amin'ny fanandramana lainany manokana.

Indrisy fa miavosa manerana ny haino vaky jery ankehitriny ireo mpaneho ohatra ratsy. Hita etsy sy eroa ny tantara manaitra sy manafintohina-tantaram-piainan'ireo olo-malaza feno fisavorovoroana sy fahavetavetana mahamenatra. Na tsy nanana aterineto aza ireo Filipianina nanoratan'i Paoly, dia niatrika toe-javatra sahala amin'izany izy ireo.

Feno fahalotoana ara-pitondrantena sy faharatsiana tokoa tamin'ny andron'i Paoly, tahaka ny amin'izao androntsika izao ihany. Nisy mandrakariva - ary hisy hatrany, farafahakeliny hatramin'ny andro farany - ny ratsy mihoapampana. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe: manao ahoana ny fihetsitsika eo anoloan'izany?

Vakio ny Fil. 3:17-19. Ahoana no anoritsoritana ny ohatra tsara sy ratsy ao amin'ireo andininy ireo? Inona avy ireo fanalahidy omena mba hanavahana azy ireo?

Tsara homarihintsika ny fitiavan'i Paoly ireo izay tsy mitovy hevitra aminy - mitomany noho ny amin'izy ireo izy! Mariho koa fa tsy miantso azy ireo hoe fahavalony izy, fa "fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy" (Fil. 3:18). Zava-dehibe lavitra noho izany no hitan'i Paoly, dia ny fomba handravan'ny hazo fijaliana ny sakantsakana ka hametrahany antsika rehetra eo amin'ny toerana iray ihany, dia eo amin'ny toerana maha mpanota mila Mpamonjy antsika (jereo ny Efes. 2:11-14).

Eo koa ny fiantsoan'i Paoly ny Filipianina mba hifantoka amin'ny ohatra tsara fa tsy ny ratsy; mba handinika tsara ireo izay mitovy fomba fiaina aminy (amin'i Paoly). Mahaliana fa niteny tahaka izany koa i Paoly rehefa nanafatra ny Romana mba "hitandrina ny amin'izay mahatonga fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo" ka hoy izy: "Mialà amin'ireny olona ireny" Rôm. 16:17. Ireo mpamitaka tany Roma dia nolazainy fa "tsy mba manompo an'i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany." - Rôm. 16:18.

Na i Jesôsy aza no modely tokana tonga lafatra tokony harahintsika, dia misy olona hafa koa, farafahakeliny amin'ny lafiny sasany, izay mety ho ohatra tsara. Ary ianao kosa, karazana ohatra manao ahoana no asehonao ny hafa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA -
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA -
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA -
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal