FIANARANA FANAMPINY:
"Ireo izay mandray fanampim-pahasoavana vaovao hatrany ihany, no hanan-kery mifamatra amin'izay ilainy isan'andro sy ny fotoana ho avy izay ahazoany herim-panahy amin'ny fomba mahagaga izy ireo fahaizany mampiasa izany hery izany. Tsy hiandrandra mba hahazoany mamonjy fanahy, fa milefitra amin'Andriamanitra isan'andro kosa, mba hanaovany azy ho fitaovana azony ampiasaina. Isan'andro dia manararaotra ny fotoana mety hanaovany ny fanompoana araka izay tratrany izy. Isan'andro dia mijoro ho vavolombelon'ny Tompo izy na aiza na aiza misy azy, na eo amin'ny faritra tsotsotra eo amin'ny asa ao an-tokantrano, na eo amin'ny saha hanaovana soa ho an'ny besinimaro.
"Fiononana mahagaga ho an'ny mpiasan Andriamanitra nanolo-tena ny fahalalana fa na dia i Kristy aza dia nítady ny Rainy isan'andro mba handraisany fanomezana vaovaon'ny fahasoavana nilainy nandritra ny fiainany teto an-tany; ary avy teo amin'io firaisana tamin'Andriamanitra io no nirosoany hampahery sy
ho fitahiana ho an'ny hafa. (...) "Ny mpiasa tsirairay izay manaraka ny ohatr'i Kristy, dia ho voaomana hanciray sy hampiasa ny hery nampanantenain Andriamanitra ho an'ny fiangonana izay hahamasaka ny vokatry ny tany." - GAG, t. 117.
"Fantatr'Andriamanitra izay ilaintsika, ary efa manomana izany ho antsika Izy. Manana trano firaketana ho an'ny zanany ny Tompo, ary afaka manome azy ireo izay ilainy amin'ny toe-javatra rehetra. Nahoana àry no tsy matoky Azy isika? Nanome teny fikasana sarobidy ho an'ny zanany Izy, raha mankato amim-pahatokiana ny fitsipiny izy ireo. Tsy misy enta-mavesatra ka tsy hainy esorina, tsy misy haizina ka tsy hainy ny hampisava azy, tsy misy fahalemena ka tsy hainy ovana ho hery, tsy misy tahotra ka tsy hainy tonena, tsy misy faniriana mendrika ka tsy hainy tarihina sy hamarinina.
"Aoka tsy hijery ny tenantsika isika. Arakaraka ny fitaredretrantsika eo amin'ny tsy fahatanterahantsika no mampihena ny herintsika handresena izany." - That I May Know Him, t. 224.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Saintsaino ny amin'ireo toe-javatra lehibe indrindra efa niainanao tamin'ny nahazoanao valim-bavaka. Ahoana no nanampian'izany anao hanandrana ny fiadanan Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra? Ahoana kosa ny amin'ireo vavaka tsy nivaly? Ahoana no mbola ahafahanao mahatsapa ilay fiadanana nampanantenaina?
2. Ao anatin'ny tontolon-kevitry ny Fil. 4:8, misaintsaina momba ny inona no tena andanianao ny fotoanao? Manatanjaka ny finoanao sy manamafy ny fifandraisanao amin'ny Tompo ve ny fisaintsainanao izany?
3. Ifanakalozy hevitra ny paragrafy farany amin'ny lahatsoratra etsy ambony. Inona no hevitry ny hoe "Arakaraka ny fitaredretrantsika eo amin'ny tsy fahatanterahantsika no mampihena ny herintsika handresena izany"? Inona ary no tsiambaratelon'ny fandresena?