Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.

Daty
Alakamisy 12 February 2026

Vakio ny HI. 4:10-13,19. Inona avy ireo tsiambaratelon'ny fiainana feno fifaliana sy fahasambarana ambaran'i Paoly eto? 

Rehefa misy toe-javatra tena sarotra mitranga (mosary, aretina, ratra, fatiantoka), dia manomboka misaina momba ny zava-manan-danja marina ny olona ary mifantoka amin'ireo fitahiana izay matetika tsy noraharahaina. Rehefa mietry isika, ao anatin'ny fahantrana, na saika tsy manana na inona na inona intsony (Fil. 4:12), dia eo no fotoana mampitsiry ny finoantsika.

Rehefa miaina anatin'ny "fananam-be" kosa isika, dia tokony hahatsiaro mandrakariva fa mety hanjavona ao anatin'ny indray mipi-maso izany (jereo ny Ohab. 23:4,5). Araka ny ampahatsiahivin'i Joba sy i Paoly antsika, dia tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika rehefa teraka, ary tsy hitondra na inona na inona miaraka amintsika any am-pasana (Juba 1:21; 1 Tim. 6:7).

Mariho ireto teny fikasana ao amin'ny Baiboly ireto: 

• Sal. 23:1 — "Jehôvah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho." 
• Mat. 6:32 — "Fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany." 
• 1 Pet. 5:7 — (fAty apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.»

• Fil. 4:19 — aFa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra ao amin'i Kristy Jesôsy.

Ary ity no tsara indrindra amin'izany rehetra izany: aMahay s zavatra rehetra aho ao amin'llay mampahery ahy.» - Fil. 4:13. Tsy misy amintsika angamba mahatakatra tanteraka izay tiana ambara amin'ny hoe «ny zavatra rehetra». Azo antoka fa tahaka ny amin'ny fangatahantsika fanampiana sy hery avy amin'Andriamanitra, dia tsy maintsy mangataka araka ny sitrapony isika. Matetika anefa no tsy mangataka zavatra izay fantatsika fa mifanaraka amin'ny sitrapony akory isika. (zany no mahatonga ny Jak. 4:2 milaza hoe: "tsy manana hianareo, satria tsy mangataka."

Ireto misy zavatra vitsivitsy azontsika angatahina amin-toky satria fantatsika fa mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra izany: • Famonjena ho an'ny olon-tiana na namana (1 Tim. 2:3,4)


• Herim-po hizarana ny finoantsika (Apok. 22:17) • Famelan-keloka rehefa miaiky sy miala amin'ny ratsy natao (1 Jao. 1:9)

• Hery hankatoavana ny didin'Andriarnanitra (Heb. 13:20,21) • Fitiavana ho an'ireo izay mankahala sy mampijaly antsika (Mat. 5:44) • Fahendrena hiatrehana toe-javatra sarotra (Jak. 1:5)

• Fahatakarana ny fahamarinana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra (Jao. 8:32)

Ahoana no ataonao raha misy zavatra izay efa nangatahinao tamin'Andriamanitra nefa tsy mbola azonao, na mety tsy ho azonao mihitsy? 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal