Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7 : SAMBATRA IZAY MINO - Ny fijoroan’i Maria ho vavolombelona

Daty
Alatsinainy 11 November 2024

Enina andro mialoha ny Paska, dia tonga namangy an'i Maria sy i Marta ary i Lazarosy anadahiny (ilay natsangany tamin'ny maty) i Jesôsy. I Simona, ilay nositranina tamin'ny habokana, no nampiantrano ny lanonana ho fankasitrahana ny zavatra nataon'i Jesôsy taminy. Nanompo i Marta fa i Lazarosy kosa nipetraka teo amin'ny latabatra niaraka tamin'ireo nasaina (Jao. 12:1-8). 

Inona no dikan'ny fihetsik'i Maria teto? Ahoana no mahatonga izany ho fijoroana ho vavolombelona maneho hoe iza tokoa i Jesôsy? Jao. 12:1-3.

Lafo vidy tokoa ilay menaka manitra; mitovy amin'ny karaman'ny mpiasa tsotra iray mandritra ny herintaona izany. Azo inoana fa nividy io fanomezana io i Maria ho fanehoana ny fankasitrahany ny Mpamonjy noho ny namelany ny helony sy ny nananganany ny anadahiny. Niriny hanosorana ny fatin'i Jesôsy indray andro any izany, kanefa reny fa hosorana ho Mpanjaka tsy ho ela Izy. Raha izany dia izy no hanome haja Azy voalohany indrindra.

Azo inoana fa tsy ninia nanao izay hahalalan'ny olona ny fihetsika nataony i Maria, kanefa marihin'i Jaona fa "feno ny hanitry ny menaka ny trano." - Jao. 12:3. Haingana tokoa ny fanomezan-tsinin'i Jodasy manoloana izany ka nambarany fa tokony ho namidy izany menaka manitra izany ary nomena ny mahantra ny vidiny. Mba tsy hahatsiarovan'i Maria ho meloka teo anatrehan'izany dia izao no nambaran'i Jesôsy: "Avelao izy (...) Fa ny malahelo dia ety aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho ety aminareo mandrakariva." - Jao. 12:7.8.

Misy lohahevitra iray miverimberina manerana ny filazantsaran'i Jaona: fantatr'i Jesôsy ny ao am-pon'ny olona (Jao. 2:24,25; Jao. 6:70,71; Jao. 13:11; Jao. 16:19). Nandritra io lanonana tao amin'i Simôna io, ohatra, dia fantany ny tao am-pon'i Jodasy. Nomarihin'i Jaona tsara ny toetran'i Jodasy, izay mpangalatra tia tena (Jao. 12:6).

"Ny fanomezana mani-pofona izay noheverin'i Maria fa hatobaka eo amin'ny tenan'ny Mpamonjy rehefa maty, dia nararany teo amin'lzy velona. Raha teo am-pandevenana dia ho nameno fotsiny ny fasana ny hani-pofony; fa izao kosa nahafaly ny fon'ny Mpamonjy noho ny fahatokisany ny finoany sy ny fitiavany. (...) Ary raha nidina tao amin'ny haizina Izy tamin'ny fitsapana lehibe nihatra taminy, dia nentiny niaraka taminy ny fahatsiarovana an'izany fihetsika izany, dia fitiavana mafana indrindra amin'izay hatolotr'ireo voavotra ho Azy mandrakizay." - IFM, t. 464, ed. 2023.

Fantatr'i Jesôsy Izay tao am-pon'i Maria sy ny an'i Jodasy tamin'io andro io. Fantany koa izay ao am-ponao. Inona no tokony hambaran'izany amintsika momba ny ilantsika an'i Kristy ho fahamarinantsika, mba hanova sy hiaro antsika koa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal