Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7 : SAMBATRA IZAY MINO - Ny fijoroan’i Maria ho vavolombelona

Daty
Alatsinainy 11 November 2024

Enina andro mialoha ny Paska, dia tonga namangy an'i Maria sy i Marta ary i Lazarosy anadahiny (ilay natsangany tamin'ny maty) i Jesôsy. I Simona, ilay nositranina tamin'ny habokana, no nampiantrano ny lanonana ho fankasitrahana ny zavatra nataon'i Jesôsy taminy. Nanompo i Marta fa i Lazarosy kosa nipetraka teo amin'ny latabatra niaraka tamin'ireo nasaina (Jao. 12:1-8). 

Inona no dikan'ny fihetsik'i Maria teto? Ahoana no mahatonga izany ho fijoroana ho vavolombelona maneho hoe iza tokoa i Jesôsy? Jao. 12:1-3.

Lafo vidy tokoa ilay menaka manitra; mitovy amin'ny karaman'ny mpiasa tsotra iray mandritra ny herintaona izany. Azo inoana fa nividy io fanomezana io i Maria ho fanehoana ny fankasitrahany ny Mpamonjy noho ny namelany ny helony sy ny nananganany ny anadahiny. Niriny hanosorana ny fatin'i Jesôsy indray andro any izany, kanefa reny fa hosorana ho Mpanjaka tsy ho ela Izy. Raha izany dia izy no hanome haja Azy voalohany indrindra.

Azo inoana fa tsy ninia nanao izay hahalalan'ny olona ny fihetsika nataony i Maria, kanefa marihin'i Jaona fa "feno ny hanitry ny menaka ny trano." - Jao. 12:3. Haingana tokoa ny fanomezan-tsinin'i Jodasy manoloana izany ka nambarany fa tokony ho namidy izany menaka manitra izany ary nomena ny mahantra ny vidiny. Mba tsy hahatsiarovan'i Maria ho meloka teo anatrehan'izany dia izao no nambaran'i Jesôsy: "Avelao izy (...) Fa ny malahelo dia ety aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho ety aminareo mandrakariva." - Jao. 12:7.8.

Misy lohahevitra iray miverimberina manerana ny filazantsaran'i Jaona: fantatr'i Jesôsy ny ao am-pon'ny olona (Jao. 2:24,25; Jao. 6:70,71; Jao. 13:11; Jao. 16:19). Nandritra io lanonana tao amin'i Simôna io, ohatra, dia fantany ny tao am-pon'i Jodasy. Nomarihin'i Jaona tsara ny toetran'i Jodasy, izay mpangalatra tia tena (Jao. 12:6).

"Ny fanomezana mani-pofona izay noheverin'i Maria fa hatobaka eo amin'ny tenan'ny Mpamonjy rehefa maty, dia nararany teo amin'lzy velona. Raha teo am-pandevenana dia ho nameno fotsiny ny fasana ny hani-pofony; fa izao kosa nahafaly ny fon'ny Mpamonjy noho ny fahatokisany ny finoany sy ny fitiavany. (...) Ary raha nidina tao amin'ny haizina Izy tamin'ny fitsapana lehibe nihatra taminy, dia nentiny niaraka taminy ny fahatsiarovana an'izany fihetsika izany, dia fitiavana mafana indrindra amin'izay hatolotr'ireo voavotra ho Azy mandrakizay." - IFM, t. 464, ed. 2023.

Fantatr'i Jesôsy Izay tao am-pon'i Maria sy ny an'i Jodasy tamin'io andro io. Fantany koa izay ao am-ponao. Inona no tokony hambaran'izany amintsika momba ny ilantsika an'i Kristy ho fahamarinantsika, mba hanova sy hiaro antsika koa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (8)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal