Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.

Daty
Alarobia 13 May 2026

Tahaka ny nampianaran'i Jesôsy antsika hivavaka ao amin'ny Mat. 6:5-15, dia azontsika atao ny manaraka io modely tsotra io rehefa manatona an'Andriamanitra manokana isika, na miaraka amin'ny ankohonantsika, na miaraka amin'ny fiangonana, ka mahatsiaro fa ny vavaka dia firesahana amin'Andriamanitra toy ny amin'ny namana iray. Matetika loatra ny vavaka ataontsika no feno fangatahana, nefa i Jesôsy nampianatra antsika mba hivavaka ho amin'ny zavatra maro izay lehibe lavitra noho izany!

Vakio ny vavaka nataon'i Daniela ao amin'ny Dan. 9:4-19 ary jereo ireo fizarana samy hafa ao anatin'izany.

Diniho ny fomba ahafahanao mampiditra ireto singa manaraka ireto ao amin'ny vavaka ataonao: 

Fiderana: Ny fiderana dia fanehoana haja ho an'Andriamanitra sy fiankohofana Aminy noho ny maha Izy Azy sy ny toetrany. Vakio ny Sal. 100, ilay hira fiderana kanto ho an'Andriamanitra. Saintsaino ireo anarana maro iantsoana an'Andriamanitra sy ny toetrany mahatalanjona. Midera Azy noho ny maha Mpanavotra. Mpamonjy, Mpampahery, Mpanasitrana, Mpiandry tsara, Alfa sy Omega, ary Vatolampy Azy, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo isika.

 Fiaiken-keloka sy fangataham-pamelana: Rehefa miresaka amin'Andriamanitra sy mitoetra ao Aminy isika, dia tsy maintsy mahafoy izay rehetra mety hampanalavitra na hampisaraka antsika Aminy. Arakaraka ny anakaikezantsika Azy no ahitantsika ny tsy fahamendrehantsika sy ny fahoriantsika. Izany no italahoantsika Aminy mba hanaisotra ny fahotantsika sy hanefy ny toetrantsika ho tahaka ny Azy. Raha miandrandra ny famelan'Andriamanitra isika, dia tsy maintsy vonona hamela ny hafa koa. "Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifarnpivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fiasan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra." - Jak. 5:16.

Fangatahana: inona avy ireo fihaikana atrehinao mahakasika ny ankohonanao, ny namanao, ny fahasalamana, ny lafiny ara-bola na araka asa, na koa fianarana? Lafiny inona no tianao ny fitarihan'ny tanan'Andriamanitra? Iza no mila ny fanohananao, ary ahoana ny fomba tsara indrindra hanomezanao izany? Ento am-bavaka manokana ireo lafin-javatra sy olona ireo ka angataho mba ny sitrapon'Andriamanitra no ho tanteraka.

Fisaorana: Vakio ny Fil. 4:6 ary saintsaino ireo fitahiana eo amin'ny fiainanao. Mety maro ny zava-dehibe tonga ao an-tsainao, swingy ahoana ny amin'ireo zava-madinidinika izay heverintsika fa mandeha ho azy matetika? Mirotsaka tsy tapaka amintsika ny famindrampon'Andriamanitra, nefa akory ny hakelin'ny fankasitrahana asehontsika sy ny fiderana ataontsika noho izay efa nataony ho antsika.

Inona ny zavatra tokony hideranao an'Andriamanitra, sy tokony hiaikenao eo anatrehany, tokony hangatahinao Aminy ary tokony hanehoanao fisaorana Azy? Nahoana moa raha izao izany dia ataonao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal