Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.

Daty
Talata 12 May 2026

Tamin'ny andron'i Jesôsy dia nomen-danja fatratra ny vavaka lavareny sy tsara rafitra toy ny zava-kanto — teny saro-takarina sy natao tsianjery matetika no nampiasaina tamin'izany. Tsy nanan-javatra tsara holazaina mikasika ireny karazan-tonom-bavaka ireny i Jesosy (jereo ny Mat. 6:5-8). Nantsoiny amin'izay tena anarany tokoa ireny: fisehosehoana ho fampiderana ny "fitiavam-bavaka." Nahita an'i Jesosy nivavaka ire() mpianatra, ary fantany fa ampahany manan-danja teo amin'ny llfiainan'i Jesosy ny vavaka (jereo ny Lio. 5:16; Lio. 6:12; Lio. 9:18; Lio. 22:41; Lio. 24:30; Mar. 1:35; Mar. 6:46). Rehefa nijery an'i Jesosy izy ireo dia nahita fa samy hafa tamin'ireo mpitondra fivavahana Izy. Koa nanatona an'i Jesosy izy, ary niteny taminy hoe: "Tompoko, mampianara anay hivavaka."- Lio. 11:1. Naneho ohatra tamin'ireo tamin'ny mpianany (sy amintsika) i Jesosy fa azontsika atao ny mivavaka amin'ny alalan'ny teny tsotra fampiasantsika andavanandro. Nasehony antsika fa tokony ho vokatry ny fo sy mahitsy ny vavaka atao. Vakio ny Lio. 11:2-4 sy ny Mat. 6:5-15 ary mariho ireto lafin-javatra manaraka ireto eo amin'ny vavaka nampianarin'i Jesosy: • Rainay Izay any an-danitra: Fanekena ny fifandraisanao manokana arnin'ilay Rain'ny rehetra. • Hohamasinina anie ny anaranao: Ny fanekena ny fahamasinan'Andriamanitra no mahatonga antsika hanatona Azy amin'ny fanajana sy ny fahatahorana. • Ho tonga anie ny fanjakanao: Faniriana fatratra ny fiverenan'Andriamanitra sy ny fitoeran'ny Fanahy Masina ao am-pontsika mandra-pahatonga izany. • Hatao anie ny sitraponao etit an-tany tahaka ny any an-danitra: Fileferana sy fangatahana ny hanatanterahan'Andriamanitra ny sitrapony eo amin'ny fiainantsika, fatokiana fa Izy no mahalala izay mahasoa. fa tsy fangatahana fotsiny ny zavatra irintsika. • Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay: Fangatahana izay ilaintsika mba hahavelona, eo amin'ny lafiny ara-nofo (hanina sy rano) ary ara-panahy (Jesosy sy ny Teniny velona). • Ary mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay: Fibebahana ary famelana ireo izay nandratra antsika tahaka ny amelan'Andriamanitra ny helotsika maimaimpoana. • Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy: Fangatahana fialofana sy fiarovana amin'ny faharatsiana eto amin'izao tontolo izao (Sal. 91). • Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena: Fanekena fa ny momba antsika rehetra dia an'Andriamanitra. Izy irery no mendrika ny voninahitra sy ny fiderantsika (1 Tant. 29:11). Nahoana moa raha ampitomboina ny fivavahanao ary atodika amin'Andriamanitra isa-maraina ny tavanao mba hiresaka amin'llay tia anao mihoatra noho ny zavatra rehetra? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal