Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 23 May 2025

"Mitondra antsika mamakivaky ireo lafiny rehetra eo amin'ny fiainam-pivavahana ny Salamo nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely. Avy ao amin'ny lavaky ny fahadisoana fatratra sy ny fanenenana be no hitondrany antsika hiakatra hatrany amin'ny fara tampon'ny finoana madio indrindra sy ny firaisana amin'Andriamanitra. Eo an-daniny ny fiainan'i Davida mpanjaka, dia mampianatra antsika fa raha tsy mitondra afa-tsy fahoriana sy henatra ny fahotana, dia eo an-kilany kosa ny fitiavana sy ny famindrampon'Andriamanitra tafidina hatrany amin'ny lavaka mangitsokitsoky ny faharatsiana, mba hampakatra ny fanahy mibebaka avy any sy hamindra azy ho amin'ny toerana avo indrindra natokana ho an'ny olona marina. Anankiray amin'ny vavolombelona mahery indrindra mampiseho ny fahatokiana sy ny fahamarinana ary ny famindrampon'Andriamanitra nataon'ilay mpanjaka mpiandry ondry. (...)

"Eny, efa nianiana tamin'i Davida mpanompoko aho (...) Izy no homban'ny tänako; Eny, ny sandriko no hampahery azy. Ny fahamarinako sy ny famindrampoko homba azy (...) Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony, Dia hampitoetra ny tànany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny ony.

Izy hiantso ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena Ahy, Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany. Hitahiry ny famindrampoko ho Azy mandrakizay Aho, ary ny fanekeko hampaharetiko aminy Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra." - PM, tt. 753, 754.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Lehibe tokoa ny tsy fahombiazan'ny taranak'olombelona teo amin'ny fanajana ny anjara tandrify azy ao anatin'ny fanekena nifanaovany tamin'Andriamanitra. Na dia nanao fahadisoana lehibe aza i Davida, ilay lehilahy "araka ny fon'Andriamanitra" dia mbola nampiasaina ihany hampita ireo fahamarinana mahakasika ny famonjena antsika. Tamin'ny fomba ahoana no nanehoan'i Davida mialoha an'i Jesôsy, Ilay nitandrina ny faneken'Andriamanitra tamin'ny fomba tonga lafatra ho antsika? Izay nataon'i Jesôsy ho antsika no hany fanantenana ho antsika, nahoana?

2. Inona no andalan-teny ao amin'ny Salamo hitanao fa manampy na manan-danja lehibe noho ny fanehoany taratra ny fanandramana manokana nolalovanao?

3. Nahoana ny Salamo no miresaka momba ny tempoly? Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ny fitiavan'i Davida ny fitoerana masina? Ahoana no hanampian'izany antsika hankamamy izay ananantsika ao amin'i Jesôsy Ilay mpisoronabentsika any an-danitra "mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika" - Rôm. 8:34? Nahoana isika no mila ny fanelanelanana ataon'i Kristy ho antsika any an-danitra, na dia vahoaka voavotra aza?

4. Raha jerena ny tenin'i Ellen G. White etsy ambony, inona ny fanandramanao manokana momba ny nanandratan'Andriamanitra ny "fanahinao izay nibebaka mba ho isan'ireo izay hatsangan’Andriamanitra ho zanany" taorian'ny "fahafaham-baraka sy ny fahoriana" nateraky ny fahotana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal