Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.

Daty
Alahady 15 February 2026

Rehefa mijery fitaratra na mijery sary isika dia mahita ny endritsika, saingy fisaka izany ary ny lavany sy ny sakany ihany no azontsika refesina aminy. Amin'ny lafiny sasany, dia ny sary sokitra no manome sary mazava kokoa nefa tsy mbola mahatoraka ny tena izy izay sady miaina no mihetsika izany. Mbola midadasika noho izany anefa ny hevitry ny Baiboly rehefa miresaka momba ny endrika, na dia ireo fanehoana latsadatsaka kokoa ireo aza no entina milaza izany.

Vakio ny Gen. 1:26,27; Gen. 5:3; 1 Kor. 15:49; 2 Kor. 3:18 ary ny Heb. 10:1. Fintino ny hevitra samy hafa fonosin'ny "endrika" ao amin'ireo toko sy andininy ireo. Ahoana no maha samy hafa izany amin'ny fanoritsoritana an'i Jesôsy ho endrik'Andriamanitra?

Nohariana hanana fitoviana be amin'Andriamanitra, araka izay tratra, ny olombelona: ara-batana, ara-panahy, ara-pifandraisana ary eo amin'ny lafin'ny asa. Na izany aza dia lafiny voafetra ihany no anehoantsika taratra ny endrik Andriamanitra, ary efa nosimban'ny fahotana aza izany. Amin'ny alalan'i Jesôsy kosa, dia azontsika atao ny "mahita" ilay Andriamanitra tsy hita maso. "Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray hoy Izy (Jao. 14:9). "Mitovy tanteraka amin'ny an'Andriamanitra ny maha izy Azy"-Heb. 1:3, DIEM. Izy no fisainan Andriamanitra natao ren'ny sofin'ny olona ary toetran'Andriamanitra navela ho hitan'ny maso.

Vakio ny Mat. 11:27 sy ny Jao. 1:1,2,14,18. Nahoana no i Jesôsy irery ihany no afaka maneho ny Ray? Mariho ireo fomba hafa nanoritsoritan'i Jesôsy ny fifandraisany amin'Andriamanitra Ray: "Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa." - Jao. 5:17 "Izaho sy ny Ray dia iray ihany." - Jao. 10:30 "Tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako." - Jao. 14:6 Imbetsaka koa no niresahan'i Jesôsy momba ny tenany tamin'ny alalan'ny fiteny manondro an'Andriamanitra: "IZAHO (...)" (jereo ny Eks. 3:14); "Izaho no mofon'aina" - Jao. 6:35; "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao" Jao. 8:12; "Izaho no Mpiandry Tsara" - Jao. 10:11,14; "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana" - Jao. 11:25; "Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko" - Jao. 14:11; ary "Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho." - Jao. 8:58. Raha toa ka tsy Andriamanitra i Jesôsy, inona moa no hevitr'izany, afa-tsy hoe naniraka zavaboary iray ho faty ho antsika Andriamanitra Ray? Nahoana no samy hafa tanteraka amin'izany-ary manan-danja lehibe -ny hoe Andriamanitra mihitsy, ao amin'i Kristy, no maty ho antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal