Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.

Daty
Alahady 15 February 2026

Rehefa mijery fitaratra na mijery sary isika dia mahita ny endritsika, saingy fisaka izany ary ny lavany sy ny sakany ihany no azontsika refesina aminy. Amin'ny lafiny sasany, dia ny sary sokitra no manome sary mazava kokoa nefa tsy mbola mahatoraka ny tena izy izay sady miaina no mihetsika izany. Mbola midadasika noho izany anefa ny hevitry ny Baiboly rehefa miresaka momba ny endrika, na dia ireo fanehoana latsadatsaka kokoa ireo aza no entina milaza izany.

Vakio ny Gen. 1:26,27; Gen. 5:3; 1 Kor. 15:49; 2 Kor. 3:18 ary ny Heb. 10:1. Fintino ny hevitra samy hafa fonosin'ny "endrika" ao amin'ireo toko sy andininy ireo. Ahoana no maha samy hafa izany amin'ny fanoritsoritana an'i Jesôsy ho endrik'Andriamanitra?

Nohariana hanana fitoviana be amin'Andriamanitra, araka izay tratra, ny olombelona: ara-batana, ara-panahy, ara-pifandraisana ary eo amin'ny lafin'ny asa. Na izany aza dia lafiny voafetra ihany no anehoantsika taratra ny endrik Andriamanitra, ary efa nosimban'ny fahotana aza izany. Amin'ny alalan'i Jesôsy kosa, dia azontsika atao ny "mahita" ilay Andriamanitra tsy hita maso. "Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray hoy Izy (Jao. 14:9). "Mitovy tanteraka amin'ny an'Andriamanitra ny maha izy Azy"-Heb. 1:3, DIEM. Izy no fisainan Andriamanitra natao ren'ny sofin'ny olona ary toetran'Andriamanitra navela ho hitan'ny maso.

Vakio ny Mat. 11:27 sy ny Jao. 1:1,2,14,18. Nahoana no i Jesôsy irery ihany no afaka maneho ny Ray? Mariho ireo fomba hafa nanoritsoritan'i Jesôsy ny fifandraisany amin'Andriamanitra Ray: "Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa." - Jao. 5:17 "Izaho sy ny Ray dia iray ihany." - Jao. 10:30 "Tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako." - Jao. 14:6 Imbetsaka koa no niresahan'i Jesôsy momba ny tenany tamin'ny alalan'ny fiteny manondro an'Andriamanitra: "IZAHO (...)" (jereo ny Eks. 3:14); "Izaho no mofon'aina" - Jao. 6:35; "Izaho no fahazavan'izao tontolo izao" Jao. 8:12; "Izaho no Mpiandry Tsara" - Jao. 10:11,14; "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana" - Jao. 11:25; "Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko" - Jao. 14:11; ary "Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho." - Jao. 8:58. Raha toa ka tsy Andriamanitra i Jesôsy, inona moa no hevitr'izany, afa-tsy hoe naniraka zavaboary iray ho faty ho antsika Andriamanitra Ray? Nahoana no samy hafa tanteraka amin'izany-ary manan-danja lehibe -ny hoe Andriamanitra mihitsy, ao amin'i Kristy, no maty ho antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal