"Ny lehilahy iray izay olona ihany nefa nilaza ireo zavatra nambaran'i Jesôsy dia tsy azo lazaina ho mpampianatra lehibe momba ny fitondrantena tsara. Na izany olona izany adala - tahaka ny olona iray milaza ny tenany ho atody vakina ambony rano mafana na koa devolin'ny helo. Tsy maintsy misafidy ianao na izany lehilahy izany Zanak Andriamanitra, na adala na ny ratsiratsy kokoa noho izany. Na ianao miantso Azy ho adala ka mandrora sy mamono Azy toy ny olon-doza, na miankohoka eo an-tongony ka hiantso Azy ho Tompo sy Andriamanitra. Aoka kosa ianao tsy ho tonga amin'ny fanambaniana tsy misy heviny ka hiantso Azy ho mpampianatra lehibe fotsiny. Tsy napetrany ho antsika izany safidy izany. Tsy izany no nokasainy hatao. - C. S. Lewis, Mere Christianity (New York, Collier Books, 1952), t. 41.
"Andriamanitra feno sy tanteraka ny Ray; tsy hitan'ny mason'izay mety maty Izy. Andriamanitra feno sy tanteraka ny Zanaka. Ambaran'ny Tenin'Andriamanitra fa Izy no 'endriky ny tenany indrindra."- Ellen G. White, Ev., t. 614,
"I Kristy no llay Zanak Andriamanitra izay efa nisy hatrizay ary tsy nisy nahary. (...) Rehefa miresaka momba ny fisiany hatrizay i Kristy dia ny fotoana hatramin'ny taloha indrindra no tiany ho ao an-tsaintsika. Manome toky antsika Izy fa tsy mbola nisy mihitsy fotoana izay tsy nananany fifandraisana ety tamin'ilay Andriamanitra mandrakizay. (...) Tahaka an'Andriamanitra Izy, tsy voafetran'ny fotoana ary Tsitoha. (...) Izy ilay Zanak'Andriamanitra mandrakizay sady tsy nohariana." - Ellen G. White, Ev., t. 615.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Saintsaino bebe kokoa ny maha Andriamanitra mandrakizay an'i Jesôsy . Diniho lalina ny fiantraikan'ny drafi-pamonjena iray manontolo sy ny hevitry ny sorona natao teo amin'ny hazo fijaliana raha toa i Jesôsy ka tsy Andriamanitra mandrakizay - llay tsy nohariana fa efa nisy hatramin'ny fahagola. Nahoana no zava-dehibe tokoa izany fampianarana izany? Raha toa i Jesôsy ka tsy mandrakizay fa nohariana tamin'ny fomba iray na fomba hafa, midika inona izany? Resaho ao amin'ny kilasy ny hevitr'izany. Averina amintsika indray, inona no very eo anatrehan'izany fomba fisaínana izany?
2. Rehefa mieritreritra momba an'i Jesôsy sy ny filazantsara ary ny drafi-pamonjena, nahoana no tokony hazonintsika ao an-tsaina koa fa izao rehetra izao manontolo no voakasik'izay nataon'i Jesôsy tety an-tany sy liana ny amin'izany? Inona no mety ho tao an-tsain'izy ireo rehefa nahita ny Mpamorona azy, ilay Mpahary azy mandrakizay, teo amin'ny hazo fijaliana? Mahatalanjona izany ho antsika, saingy izao tontolo izao tsy lavo kosa nahafantatra Azy tao amin'ny voninahiny mandrakizay. Inona no azo antoka fa tao an-tsain'izy ireo rehefa nanatri-maso an'llay niankohofany tany an-danitra maty teo amin'ny hazo fijaliana?
3. Inona no holazainao amin'ny olona iray izay tsy mino fa niara-nisy hatrizay Andriamanitra Ray sy ny Zanaka? A Zanaka? Ahoana no maha fahamarinana manan-danja izany? Tsy nisy mihitsy ny fotoana tsy niarahan'ny Ray tamin'ny Zanaka, afa-tsy teo amin'ny hazo fijaliana, tao anatin'ny fisarahana lalína nefa voafetra teo amin Andriamanitra telo izay iray. Ahoana no hanazavanao izany? (jereo ny SDABC, b. 7, t. 924).