Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 21 November 2025

Fianarana fanampiny:

"Hatramin'ny andro nanoherany ny filazana tsy misy finoana nataon'ireo mpisafo tany, dia tsy niova mihitsy ny finoan'i Kaleba. Ninoany ny teny fikasana nataon'Andriamanitra ho an'ny olony mba hahazoany ny tany Kanana, ka narahiny maso miandalana ny fahatanterahan'izany. Niara-niaritra ny dia lavitr'Isiraely iray firenena taminy izy, niara-nizaka fahadisoam-panantenana sy famaizana tamin'ny olom-meloka. Niombona fihafiana sy loza ary farmaizana taminy izy, ary torak'izany koa ireo taona niadiana nanaraka tatý aoriana. Lavitra azy anefa nimonomonona, fa nankalaza ny famindrampon Andriamanitra izay nitahiry ny ainy no nataony, fa ireo rahalahiny kosa maty tany an'efitra. Na dia efa valopolo taona mahery aza izy, dia tsy nihena ny heriny na dia kely aza. Noho izany, dia ny faritany izay voalazan'ny mpisafo tany fa sarotra alaina indrindra no nangatahiny, fa tsy tany efa azo rahateo. Nitetika haka teo an-tanan'ireo olona vaventibe izay nampihorohoro ny Isiraely ny tananany mimanda, miaraka amin'ny fanampian'Andriamanitra izy. Tsy faniriam-boninahitra na fitadiavam-pisandratana ho an'ny tenany anefa no anton'ny hataka nataony Ity mpanafaka mahery fo ity, izay antitra teo amin'ny fanafihana, dia ta hanome ohatra ny Isiraely ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra manontolo sy ho fampaherezana ny firenena sisa hahavita ny asa noheveriny tsy ho vita, dia ny fanafihana ny tany Kanana. "PM, 1. 512.

"Ny finoan'i Kaleba an'Andriamanitra no nanome azy herim-po, niaro azy tamin'ny tahotra olona, ary nahafahany nijoro tamim-pahasahiana sady tsy voahozongozona tamin'ny fiarovany ny marina. Izay tena miaramilan'ny hazo fijaliana rehetra dia afaka mahazo tanjaka sy herim-po handresena ireo sakana izay toa tsy azo ihoarana, amin'ny alalan'ny fianteherana amin'io hery io, dia amin'llay Mpitari-tafiky ny lanitra."- ARSH, 30 Mey 1912.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ifanakalozy hevitra ny amin'ny fanerena ataon'ny namana sy ny herim-po ilaina mba hitenenana rehefa tsy manao izany ny hafa. Inona no anjara asan'ny herim-po ao anatin'ny fanehoantsika ny finoantsika? Ahoana no ahaizantsika mijoro amin'izay inoantsika ho marina kanefa amin'ny fomba feno fanajana sy fahalalam-pomba?

2. Mitanisà ohatra vitsivitsy maneho finoana ao amin'ny fiangonanao na ny fiarahamonina misy anao, izay namolavola ny fiainanao sy ny toetranao, ka zarao ao amin'ny kilasy izany. Inona avy ny toetran'ireo olona ireo, izay mendrika halain-tahaka?

3. Saintsaino ary ifanakalozy hevitra ny fiantraikan'ny haino aman-jery eo amin'ny fiainantsika. Ahoana no hialantsika amin'ny voka-dratsin'ireny kanefa sady hararaotintsika ny tombontsoa avy aminy ho amin'ny tanjona tsara?

4. Saintsaino lalina kokoa ny fanetren-tenan'i Josoa amin'ny maha-mpitarika azy sy ny faniriany honina akaikin'ny fitoerana masina. Midika inona ho anao ny ohatra nasehony?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (45)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal