VOAOVA NOHO NY FIBANJINANA
Tena ilaina ho amin'ny fitomboantsika ara-panahy ny fibanjinana ny oha-piainan'ireo olo-malazan'ny finoana mahery fo. Etsy andanin'izany anefa, ny ohatra faratampony ho antsika dia i Jesôsy Kristy ny fiainany sy ny fampianarany. Manova antsika ny fibanjinantsika ny fiainan'i Jesôsy; amin'ny fomba ahoana? Jereo ny Heb. 12:1,2; 2 Kor. 3:18.
Nanao fikarohana momba ny asan'ireo sela mpitatitra antsoina hoe "neurones miroirs" (nerônina fitaratra, raha adika ara-bakiteny) i Marco lacoboni, mpahay siansa momba ny atidoha ao amin'ny Oniversiten'i Kalifornia, Los Angeles. Miasa ireo rafi-tsela madinika ireo na rehefa maneho fihetsika aza isika - toy ny mihomehy na mamihina olona sy rehefa mahita olon-kafa manao fihetsika toy izany isika. Ny asan'ireo sela ireo dia ny mampihena ny fahasamihafana eo amin'ny atao hoe mahita sy ny atao hoe manao.
Miresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fibanjinana ny toetran'i Jesôsy i Ellen G. White: "Mijery an'i Jesôsy isika dia mandray fahitana an'Andriamanitra mamirapiratra kokoa sy mazava kokoa, ary ny fibanjinantsika Azy no manova antsika. Ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, ny fitiavany ny mpiara-belona amintsika, dia manjary toetra mandeha ho azy ao amintsika. Mampitombo toetra amam-panahy izay setrin'ny toetra amam-panahin'Andriamanitra по hahalalantsika bebe kokoa Azy. Mitombo hatrany hatrany ny fidirantsika lalindalina kokoa amin'ny fifankazarana amin'izao tontolo izao any an-danitra, ary dia manana hery mitombo hatrany isika handraisana ny haren'ny fahalalana sy ny fahendren'ny mandrakizay." - HF, t. 368.
Vakio ny Rôm. 12:1,2. Inona ireo lalana roa manan-tanjona mifanohitra eo amin'ny fiainantsika? Ahoana no hahazoantsika antoka fa mizotra amin'ilay tsara isika?
Miresaka momba ny hery roa mifanohitra ny apostoly Paoly ao amin'ny epistiliny, dia ilay toko mamintina ny bokin'ny Romana. Samy miezaka manefy ny fiainantsika ireo hery roa ireo. Etsy an-daniny, ny tontolo manodidina antsika, miaraka amin'ny fitaomany amin'ny endriny isan-karazany, dia manao izay anerena antsika isan'andro ho tafiditra ao anatin'ny lasitra nataony, ary manova antsika ireny, manomboka amin'ny ivelany ka mankany anatiny.
Mba hanoherana izany dia hain'ny Fanahy Masina ny manova antsika avy ao anatiny mankeo ivelany, dia tahaka ny fiofon'ny bibin-tsaonjo ho lolo tsara tarehy. Kanefa mba hitrangan'izany amintsika, dia mila manokana ny tenantsika ho an'Andriamanitra isika ary mangataka Aminy hanohy ny asa tsara izay natombony tao anatintsika (Fil. 1:6). Ary farany, tsy maintsy manao safidy amim-piheverana tsara isika, amin'ny fotoana rehetra, mba handeha araka ny Fanahy.