Manasongadina ny filazantsara i Paoly raha manomboka ny 1 Kor. 15. Resahiny ao ny Filazantsara (1) izay notoriny tamin'ireo Korintianina, (2) noraisin'izy ireo (3) niorenan'izy ireo ary ary (4) hamonjena azy (1 Kor. 15:1, 2). Izany fampidirana izany no manomana ny mpamaky hanaraka ny tohin'ny toko ary koa mampiseho ny maha-zava-dehibe ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty ho an'ny famonjena antsika (jereo koa ny Rôm. 10:9, 10). Ampahany iray iankinana aina ao amin'ny hafatry ny filazantsara ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty, ka ny fandavana izany dia toy ny fandavana ny finoana an'i Kristy.
Vakio ny 1 Kor. 15:1-4; Lio. 24:44-47 ary ny Rom. 1:1-4. Inona ny hevitra Iraisan'Ireo toko sy andininy ireo?
Hitantsika ao amin'ny 1 Kor. 15:1-4 ny famintinana ny hafatr'i Paoly. Na manondro andalan-teny manokana ao amin'ny Testamenta Taloha ny fehezanteny hoe "araka ny Soratra Masina" na koa manondro ny Testamenta Vaovao iray manontolo, dia tsy manova na inona na inona izany. Ny fahafatesan'i Jesosy sy ny fitsanganany tamin'ny maty no mahatanteraka ireo teny fikasan'Andriamanitra hita ao amin'ny Testamenta Taloha.
Vakio ny 1 Kor. 15:2, 11. Nahoana Ireo andalan-tSoratra Masina Ireo no mampifanindran-dalana ny finoana sy ny toriteny? Inona no Ifandraisan'Ireo roa ireo?
Izay rehetra milaza fa nitsangana tamin'ny maty i Kristy dia tsy maintsy mino aloha fa zava-niseho teo amin'ny tantara tokoa ny fitsanganany tamin'ny maty. Araka izany, ny 1 Kor. 15:5-8 dia mitana anjara toerana lehibe ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ireo toko sy andininy ireo no porofo lehibe ara-tSoratra Masina izay maneho fa hitan'ny olona marobe i Kristy taorian'ny fitsanganany tamin'ny maty ary maro tamin'ireo olona ireo no mbole velona tamin'ny andro nanoratan'i Paoly ny epistiliny (1 Kor. 15:6).
Izao no tian'i Paoly hambara, raha zohina: "Mandehana anontanio azy ireo izay hitany." Tahaka izany no nananany toky lehibe momba ny maha-zava-mísy marina ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty.
Vavolombelona nanatri-maso ireo olona ireo. Izy ireo no nanambaran'i Jesosy hoe "Ary hianareo no vavolombelon'izany."- Lio. 24:48.
Inona avy ireo antony ahafahantsika mino ny fitsanganan'l Kristy tamin'ny maty? Inona ihany koa ireo zavatra hafa, na zava-masina na zavatra eto amin'izao tontolo izao, izay inoantsika na dia tsy hitantsika maso aza?